Fifamoivoizana – Miverina ireo fiara familiana ankavanana
Manomboka sahy miverina miriaria eny anivon’ny fifamoivoizana indray ireo fiarakodia manana familiana ankavanana rehefa nisitrika nandritra ny herinandro vitsivitsy. Manararaotra izao vanim-potoanan’ny asaramanitra izao izy ireo raha ny fanazavan’ny mpamily sasany satria tsy dia sarotiny ireo mpitandro filaminana mandrindra ny fifamoivoizana. Olana goavana atrehin’ireo olona manana fiarakodia misy familiana ankavanana ny famadihana izany ho any amin’ny ankavia noho ny tsy fahampian’ny kojakoja sy ny mpanamboatra fiara tena mahay. Lafo dia lafo ihany koa ny saran’ny famindrana ny familiana hoy izy ireo. Maro amin’ireo olona manana ireny fiara nafarana avy any amin’ny firenena miteny anglisy ireny mantsy no tsy ampy vola ka nanararaotra fotsiny ny fahamoran’ny fiara familiana ankavanana raha oharina amin’ny ankavia izay hany ara-dalàna eto amintsika. Efa nisy ny didy hentitra navoakan’ny Fanjakana fa tsy maintsy hajanona sy samborina ary ampidirina foriera avokoa izay fiara familiana ankavanana rehetra mbola mandeha eny amin’ny arabe. Nitory ary efa nandalo ny ambaratongam-pitsarana rehetra ny fikambanan’ireo olona manana ireny fiara ireny saingy tsy nahazo rariny teo anatrehan’ny fitsarana mihitsy. Mody nipiripirina kely izy ireo nandritra ny herinandro vitsy ary izao manomboka mipoitra tsikelikely izao izao indray.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







