Jiolahy diso trano – Nokapohiny vody basy ilay lahiantintra
Lehilahy lehibe iray efa mananika ny 60 taona no nokapohan’ny jiolahy tamin’ny vody basy teny Iavoloha afak’omaly alina. Fito lahy ireo mpanafika ary io rangahy io irery no tao amin’ilay “villa” tamin’ny fotoana nidiran’izy ireo tao. Tsy nisy vola mihitsy tao an-trano tamin’io fotoana io ka niala maina ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy izy ireo rehefa hitsaoka mba ampitahorana ny mponina manodidina. Raha ny hevitry ny fianakavian’ny lasibatra dia mety ho diso trano ireo notafihina ireo jiolahy satria vao herinandro lasa izay no nisy “villa” iray hafa voatafika teo akaiky teo. Manaporofo ity tranga iray ity fa efa mahafantatra mialoha ny momambomba ireo trano ho tafihana ireo olon-dratsy saingy diso paika satria mety ho iraka fotsiny. Mety tsy nahatadidy ny ‘sarintany’ izy ireo noho ny habetsahan’ny zava-mahadomelina noraisiny.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







