Alaotra Mangoro – Nandray anjara amin’ny fampandrosoana ny depiote
Niditra an-tsehatra amin’ny asa fampandrosoana ao Alaora Mangoro ny solombavambahoaka Andriamasimanana Aureline fa tsy nijanona fotsiny tamin’ny fananganan-tànana tao Tsimbazaza. Araka ny tatitra nataony dia sehatra marolafy no nojereny nandritra ny volana novambra sy desambra 2015. Anisan’izany ny fampidirana ireo zaza mbola tsy tafiditra an-tsekoly ho an’ny taona 2015-2016 tao Alaotra Mangoro, Amboasary Gara,Andilanatoby,Tsinjoarivo,Mangatany,Betoloha, Ambatosoratra,Tanambe, sns, ka notolorana vola sy kahie ihany koa ireo mpianatra. Nisy ihany koa ny atrikasa niaraka tamin’ny komandin’ny zandary sy ny préfet, ny ben’ny tanàna ary ny lehiben’ny fokontany ao amin’ny kaominina efatra manodidina an’i Manakambahiny Andrefana momba ny fampandriana ny fahalemana sy ny ady amin’ny dahalo izay nirongatra tato ho ato ka anisan’izany ny fametrahana sy fanoroana ireo vahoaka amin’ny fanaovana dina sy ny fiambenana ny tanàna. Ho an’ny famokarana kosa dia nandatsaka zana-trondro 6000 isa niaraka tamin’ny Fizalaotra tao amin’ny farihin’Alaotra ny 17desambra2015. Nanentana ny mponina ny solombavambahoaka amin’ny mba hanajan’ireo mpanjono sy mpanarato mba hanaja ny fotoana tokony anjonoana. Ho an’ireo faritra na kaominina tsy voatety dia nilaza izy fa ho avy hanefa ny adidiny amin’ny taona ho avy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







