Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fety am-pilaminana

Hiara hankalaza ny fetin’ny noely, izay nahaterahan’i Jesoa kristy Tompo sy Mpamonjy ny rehetra rahampitso. Tsy ny kristianina irery ihany fa ny olon-drehetra mihitsy satria mpamonjy no teraka ary tsy tonga ho an’ny olo-marina izy fa ny mpanota hibebaka. Finoana, fanantenana ary fitiavana no mitoetra hoy izy ary ny fitiavana no lehibe indrindra. Noraisin’ny antoko politika Tim ny finoana tamin’ny ilay teny hoe “aza matahotra, minoa fotsiny ihany”, ary nampiasain’ny Mapar ny fitiavana tamin’ilay hoe “fa ny fitiavana no lehibe indrindra”. Midika ireo fa mitodika amin’ny fivavahana kristianina ny mpanao politika malagasy ary tsy manadino ny resaka finoana ho amin’ny fanatsarana ny fiainam-pirenena sy ny raharaham-pirenena.

Ny noely izao no fotoana tsara indrindra ampirimana ny adiady sy fifankahalana ary famelana heloka sy disadisa rehetra nandritra ny taona. Tsy misy tsy diso izany ary ny vy tsy mikitrana irery saingy ny fahatsapan-tena hamitram-pihavanana sy hamalona ny ratsy rehetra no zava-dehibe indrindra. Efa dingana iray lehibe ny fiombonan-kevitra anatsaharana ny disadisa politika ao anatin’ny fetin’ny noely. Mila mifamela ny rehetra, tafiditra amin’izany ny samy mpanao politika, ny mpiray tanàna, ny mpihavana, ny mpiara-miasa, ny mpiray tam-po, ny mpinamana  sy ireo rehetra nanana disadisa tamin’ity taona ity hatramin’izay. Izay tsy miady olom-bodo ary ny to fo mpamosavy hoy ny fitenenana ary aza atao toy ny  vato ny fihavanana ka raha vaky tsy mety atohy fa toy ny lamba ka izay mitritra azo havitrana. Azo atao tsara mihitsy ny miaina ao anaty filaminana sy fifankatiavana lavitra ny fankahalana eto amin’ity firenena ity. Na rahampitso fotsiny aza dia inoana fa hahatsapa ny rehetra: tsara kokoa ny fiainana tsy misy romoromo.

Tsy lanonam-be andaniana vola aman-karena rahateo no mahatsara ny fety toy izao fa ny firaisankina sy fifankatiavana ary ny hafaliam-po eo amin’ny tsirairay. Ekena fa sarotra ny fiainana ary tena manahirana saingy manan-jo hifaly sy hiravo isika rehetra. Samy manana ny tandrify azy ary samy mahafantatra ny ampy azy koa samia miravo.

Na izany aza ny hendry ihany no hanarina ary ny tiana ihany no ampatsiahivina ka mila mitandrina sy mandanjalanja ihany amin’ireo zava-pisotro mahamamo satria  mety hiteraka fahasahiranana indray raha toa mihoatra ny tokony ho izy no arapaka. Ny 90 isan-jato maherin’ny olona miditra hopitaly rehefa fety toy izao dia avy amin’ny voina nateraky ny hamamoana avokoa. Misy ireo marary noho ny habetsahan’ny alikaola nosotroina, ary ao ihany koa ireo tra-doza teny amin’ny fifamoivoizana, na nianjera, na ihany koa naratra noho ny adiady nateraky ny hamamoana. Fety no atao ka fahafinaretana sy fahafaham-po no tadiavina ka mila mitandrina sao hivadika ho loza hanahirana indray izany avy eo.

Mila mahay mandanjalanja tsara ihany koa eo amin’ny fandaniana isan-karazany sao ho lany amin’ity fety ity ny vola rehetra nefa any amin’ny faran’ny volana janoary any indray vao handray karama. Malaza ho volana mafy rahateo ny janoary satria sady lava be no mbola fotoana fanaovana adidy maro izay ilana vola hatrany isaky ny mihetsika.

Azo atao tsara ny manao fety mahafa-po mifanaraka amin’ny fahafahana sy ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Koa mirary ny rehetra hanao fety am-pifaliana izahay ekipa rehetra eto amin’ny gazety Madagascar Matin. Samy hahavita izay nomanina ary hahazo izay tandrify azy anie ny mpamaky rehetra ity gazety ity.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre