Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fanondranana andramena – Rediredy fotsiny ny tribonaly manokana

Mirehareha fatratra amin’ny tetikasa hananganana tribonaly manokana hisahana ny fitsarana ny aferana andramena ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Ho an’ny tsy mahalala dia hisy mirakla hitranga eto ka ho foana avy hatrany ny fikapana sy fanondranana ny hazo sarobidy. Sarotra ihany ny inoana izany raha ny zava-misy no jerena satria na ny manisa ireo bolabolan’andramena efa tapaka ka angonina any ambadika any aza tsy vitan’ny mpitondra. Roa taona ngarangidina no naha teo azy ireo nefa tsy nahavita namoaka tarehimarika mazava mikasika ny isan’ny andramena efa tapaka sy azo amidy avy hatrany. Misy tokoa ireo hazo efa nogiazana saingy manjavona ho azy ny ankamaroan’izy ireny. Efa niaraha-nahita aza fa hazo natao tsara ambina tany amin’ny toby miaramila mbola nisy nangalatra ihany. Tsy mbola nahavita namoaka sazy ho an’ny olona voarohirohy tamin’ity resaka andramena ity, ihany koa, ny Fanjakana hatreto fa zary lasa fihetsiketsehana sy fanalam-baraka olona fotsiny no zava-nisy. Ny tena olana eto dia tsy misy tompon’andraikitra tena sahy miady amin’ity fanondranana andramena ity. Tsy manana mpitsara vaovao isika ary tsy manana manam-pahefana nofanina manokana fa ireo efa misy amin’izao ihany no handrafitra io fitsarana manokana hatsangana io sy hiara hiasa akaiky aminy. Hatramin’izay izy ireo tsy nisy sahy nisambotra sy nanameloka ireo mpanao andramena koa sarotra ny hanantenana fa vao hitsangana io tribonaly manokana io dia hisy olona tena ho sahy hijoro ampihatra ny lalàna eto.

 

Dôm

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre