Fiadidiana ny Repoblika – Miteniteny foana ny ao amin’ny serasera
Tsy tahotra tsy henatra ny eo amin’ny sampan-draharahan’ny seraseran’ny fiadidiana ny Repoblika niantso tody tamin’ny fomba ofisialy ary nampiasa teny tao anaty Baiboly mihitsy “Loza ho an’izay nihavian’ny fanafintohinana” ho an’izay gazety sy olon-tsotra nohereviny fa nanely tsaho mikasika ilay mpanolotsainan’ny filoha voalaza fa tratra nitondra vola vahiny marobe teny amin’ny sisin-tany frantsay. Tian-dry zareo eo anivon’ny fitondrana mihitsy ny mampiasa ity voam-bolana “tsaho” ity nefa ry zareo ihany no toa manao izay hampiparitaka izany. Mitavozavoza ary tsy misy mangarahara ny fahazoam-baovao eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika raha oharina ny amin’ny primatiora sy ny minisitera sasany. Zara raha misy ny vaovao mikasika ny hetsiky ny filoha sy ireo fitsidiham-paritra ataony. Tsy azo hadinoina ihany koa ary mipetraka ho tantara fa mpanely tsaho sy vaovao tsy marina ny pejy facebook an’Ambohitsorohitra. Niaraha-nahita izany tamin’ilay fanapahan-kevitra mikasika ny fiantsoana ny delegasiona malagasy nandray anjara tamin’ny lalaon’ny nosy farany teo. Anisan’ny vaovao diso 100% ihany koa no navoakan’io pejin’Ambohitsorohitra io tamin’ny fandraisan’ny Filoha anjara tany Sydney mikasika ny fivoriamben’ny valan-javaboahary maneran-tany. Santionany kely ireo fa marobe tsy tambo isaina ny vaovao diso miendrika tsaho avoakan-dry zareo ka mahatonga ny olona tsy hino azy intsony.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







