Mahitsy – Lehilahy matin’ny toaka tao an-tsena
Lehilahy iray no hita faty tao amin’ny tsenan’i Mahitsy tamin’ity herinandro ity. Rehefa nataon’ny mpitsabo ny fizahana dia fantatra fa matin’ny toaka be loatra nosotroiny io rangahy io. Mety mamo tampina izy ary nidaraboka ka noheverin’ny olona fa natory ary mbola hifoha ihany avy eo. Karazan’ny efa fanaony rahateo io fihetsika io matoa tsy nanaitra ny maro ny zava-nitranga. Maro ihany koa ny olona no milaza fa ny fisotroana toaka gasy no tena anisan’ny mahatonga ny fahafatesana tampoka ho an’ireo mandray izany. Tsy voarefy ny tahan’ny alikaola sy ny singa simika hafa ary ny loto ao anatin’ireny zava-pisotro mahamamo voarara ireny ka miteraka fahafatesana haingana ho an’izay ratsy vintana ka nigoka tsy am-piheverana. Ny tompon’andraikitry ny filaminana dia efa nanao antso avo ny amin’ny fifehezana ny fisotroana toaka amin’izao andro fety izao. Fantatra fa ny ankamroan’ny olona maty sy miditra hopitaly dia vokatry ny toaka avokoa. Misy ireo tsy mazaka dia marary, ary misy kosa ireo naratra noho ny adiady sy ny lozam-pifamoivoizana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







