Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Manondrana ny 4×4 – Fiara roa tra-doza, iray hafa nanjavona

Be ny loza ateraky ny fiara tsy mataho-dalana tato ho ato. Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity fotsiny dia fiara 4×4 miisa telo no nahita loza teto an-drenivohitra. teny Ivato dia nandona vehivavy sy ankizy ny fiara tsy mataho-dalana iray an’ny teratany sinoa fa nentin’ny mpamily. Naratra mafy ireo niharam-boina ary nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Tsy tana ny ain’ilay ramatoa fa ilay zaza 5 taona kosa mbola manaraka fitsaboana. Fiara 4×4 hafa ihany koa izay an’ny mpanolotsaina ara-toekaren’ny praiminisitra no nilatsaka tany anaty hantsana eny Ambohibe Ilafy. Vehivavy no nitondra azy io ary ny lalana malama no voalaza fa antony niteraka ny loza. Tendrombohitra be ny eny Ambohibe Ilafy nefa ratsy dia ratsy ny lalana ka tsy voafehin’ilay ramatoa ny familiana. Naratra mafy izy io tamin’izany ary navotan’ny fokonolona ka manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao.

Mbola fiara tsy mataho-dalana ihany koa no tra-doza teny Ampandrianomby. Tsy nandona olona na nivadika izy io fa kosa nisy nangalatra. Fiara avo lenta sy lafo vidy an’ny mpanolotsain’ny minisitry ny Toekarena sy ny teti-pivoarana izy io ary napetraka teo ivelan’ny biraon’ny minisiteran’ny Angovo satria namonjy fivoriana tao ny tompony. Rehefa vita anefa ny fivoriana dia nanjavona ilay fiara.

Mila mitandrina ireo manana fiara 4×4 noho ireo tranga ireo satria voalohany dia misetrasera izy ireny amin’izao lalana ratsy izao satria mahatoky ny tanjaky ny fiarany nefa lasa mitera-doza ho azy sy ny hafa rehefa tsy voafehy izany. Maro mpitsiriritra ihany koa ireny fiara  tsy mataho-dalana ireny ka be mpangalatra.

 

Dom

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre