Farany tsy misy ventiny
Tsy nandaitra tamin’ny vahoaka malagasy ilay fomba fiteny hoe farany vao misy ventiny. Ny omaly tsy miova ihany mantsy ary vao mainka aza nihamafy ny fahasahiranana amin’izao andro vitsy mialohan’ny hifaranan’ny taona izao. Tsy nahavidy vorombe intsony ny ankamaroan’ny tokantrano tamin’ny noely. Efa mananika ny 7 sy 8 alina ariary rahateo ny vorontsiloza sy ny gisa lehibe iray eny an-tsena. Nionona tamin’ny akoho be nofo amidy amin’ny kilao sy ny akoho gasy vatombatony nafangaro tamin’ny henan-kisoa ny maro satria izay no takatry ny fahefa-mividy. Ny ankamaroan’ny mpampiasa rahateo mody fanina tsy nanome ny karama faha-13-n’ny volana izay tena fanantenan’ny mpiasa rehetra mba hanaovana fetin’ny noely sy faran’ny taona. Dia tsy maintsy ny vola kely teo am-pelatanana no namboarimboarina. Olombelona nofo sy rà ny lehibe ary ny ankizy tsy mahalala tsy misy. Voatery ary nanao izay ho afany ny ray aman-dreny miasa hanomezana fifaliana ho an’ny ao an-tokantrano.
Tena maneno sahona, araka ny fitenenana, anefa ny vidin’entana satria nisondrotra hatramin’ny 50% mahery avokoa izany. Manararaotra rahateo ireo mpamokatra sy mpivarotra satria tsy maintsy hividy sakafo ny olona. Manoloana izany rehetra izany, tsy hita mihitsy Rafanjakana sy ireo mpiasany karamain’ny vahoaka nefa raha ny tokony ho izy dia misy ny fanaraha-maso ny vidim-piainana ho fitsinjovana ny vahoaka manoloana ny fanararaotan’ireo tia kely.
Tsy ny vahoaka irery ihany anefa no sahirana fa na ireo mpandraharaha ihany koa aza. Maro ireo tale-na orinasa no nanazava fa nihena ny tombony nampidirin’izy ireo tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny teo aloha. Fepetra maro ny nahatonga izany ka anisan’ny voalohany amin’ireny ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny delestazy lavareny ary ny fidinan’ny sandam-bola Ariary. Izay iray alehany, na mampijanona ny famokarana ataony ireo orinasa rehefa delestazy na mividy solika ampandehanana ny gropy. Voa mafy izy ireo amin’ireo lafiny roa ireo satria na mamoaka vola amboniny na mihena ny vokatra dia mihena foana ny vola miditra. Ankoatra izay dia volaza ihany koa fa nisy fiakarany ny hetra sasany alohan’ny orinasa. Ny mpiasa madinika hatrany no ianjadian’ny vokatr’ireo fahavoazana ireo satria voatery mandroaka mpiasa ary mampiditra ireo manaiky handray karama kely kokoa na tsy mahay aza.
Izany rehetra izany dia vokatry ny tsy fahombiazam-pitantanana ny raharaham-pirenena ihany. Tsy mety miaiky mihitsy ny mpitondra fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny asa fampandrosoana apetrak’izy ireo eto Madagasikara. Minia mikipy tsy hahita ny zava-misy izy ireo ary minia manapin-tsofina tsy handre ny marina satria menatra ny hiaiky fa tena mahantra ny malagasy ary tsy misy masoandro mihiratra antenaina hivoahana amin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahasahiranana. Miankin-doha loatra amin’ny vahiny sy ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana mijoro ankehitriny ka lasa mampifangaro ny tena zava-misy marina sy ny nofinofy any an-tsain’izy ireo any. Ho an’ny olona zatra mivoaka any ivelany anefa dia tokony hahita fa tena farahidiny ny eto Madagasikara. Gaboraraka ny rehetra ary farahidiny ny vahoaka malagasy satria tsy mba manan-jo hisitraka ny harem-pireneny fa ireo manam-pahefana irery no migalabona amin’izany. Na ny lalana ho diavina aza tsy misy eto amintsika fa voatery midina eny amin’ny arabe ny mpandeha an-tongotra. Ny rano sotroina manahirana satria tapahan’ny Jirama lava nefa tsy azo antoka ny lava-drano. Ny rivotra iainana, ihany koa, dia efa tena manomboka tsy azo hiafiana intsony satria taorian’ny setroky ny doro-taneny izay nitondra aretin’ny taovam-pisefoana sy nankarary maso dia midofaka indray ny fofona masiso manerana ny tanàna. Farany, tsy nisy ventiny ity taona ity ka toy ny efa mahazatra, fanirian’ny maro ny mba hivalona miaraka amin’ity 2015 ity ny ratsy rehetra. Nofinofy ihany anefa izany raha toa ka tsy miova fomba fiasa sy fomba fisainana ny mpitondra amin’ny taona 2016 hitsidika io.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







