Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Andoharanofotsy – Moana sady tsy salama saina maty an-drano

Isan-taona dia maro ireo zaza very, indrindra fa rehefa vanim-potoanan’ny fety ohatr’izao. Ny herinandro lasa teo dia trangana zaza very iray no niseho teny amin’ny fokontanin’Ambohimanala, kaominina Andoharanofotsy.  Raha ny filazan’ny ray manan-drenin’ilay ankizy dia nanomboka ny 24 desambra teo no tsy hita popoka ity farany, rehefa nivoaka tsy niera ny trano fonenany. Nomarihin’ny dadany fa tsy salama saina ary tsy mahay miteny ity zanany ka sarotra ho azy ity ny hiverina hamonjy ny ankany misy azy. Nikoropaka noho izany ireto kitapo nifonosana ka nametraka peta-drindrina misy ny sary sy ny mombamomba ilay zaza ary milaza ny mba hanaterana azy amin’ny manam-pahefana ho an’izay mahita azy. Vaovao ratsy anefa no valiny satria hita faty teny amoron’ny tanimbary izy io ny sabotsy lasa teo. Araka ny filazan’ny manodidina dia efa ela ilay razana no nilon-drano tao satria efa namofona sy nibotsin-drano.

 

7 no maty vao mijanona

Manana ny mampiavaka azy tokoa raha i Andoharanofotsy satria raha ny nambaran’ny zokiolona iray dia efa ela no manana fombafomba ity tanàna ity. Rehefa misy maty iray hoy izy, indrindra rehefa andro fety toy izao dia tsy mijanona izany raha tsy tonga amin’ny isa fito. Ny faran’ny herinandro teo tokoa dia nisesisesy ny olona maty, ary mitovitovy avokoa ny taonan’izy ireo. Ny fanimpitony moa dia ilay rangahy niharan’ny fitifirana nandritra ny fanafihana kiosque Airtel tetsy Andoharanofotsy.

T.A.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre