Tsiroanomandidy – Mpanara-dia iray matin’ny dahalo
Tsy mba nanao fety am-pilaminana ny mponina tao Ankotsaka, fokontany Ambarivatsy ao amin’ny kaominin’i Fihaonana, distrikan’i Tsiroanomandidy. Ny andron’ny faha 24 desambra lasa teo mantsy dia nisy fanafihana tao amin’io toerana voalaza io ka lehilahy iray no namoy ny ainy nandritra izany. Dahalo maro tsy fantatra isa no tonga nanafika ka tompon’ny omby efatra no indray lasibatra tamin’izany ary manodidina ny omby 40 teo no lasan’ireo dahalo. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ireo lasibatra saingy tsy tonga ara-potoana izy ireo ka voatery ny fokonolona ihany no niaro ny tenany sy ny fananany. Nisy ny fifandonana ka nandritra izany no nahavoa ilay fokonolona. Voan’ny balan’ireo dahalo izy ity ka teo no ho eo ihany dia nindaosin’ny fahafatesana. Tsy ny fokonolona ihany anefa no namoy havana sy namana fa ireo dahalo ihany koa. Voalaza fa maty voatifitry ny fokonolona ihany koa ny iray tamin’ireo dahalo saingy nentin’ireo namany nitsoaka ny fatiny. Tsy mbola nisy tafaverina ihany koa ireo omby very.
N.F.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







