Boulevard de Tokyo – Nivadiky indray ny fiaran’ny prezidansa
Ataon’ireo mahitahita fampiasan’ny tsy miala vola mihitsy ny fiaram-panjakana. Ny faramparan’ny herinandro lasa teo dia navadiky ny saofera avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika ny fiara iray ampiasain’ity andrim-panjakana ity. Teny amin’ny boulevard de Tokyo, fantatry ny maro amin’ny hoe Bypass no nitrangan’izany. Nandeha mafy be ilay fiara ka tsy nahatana familiana intsony ilay mpitondra azy ka tany an-tanimbary vao nijanona. Sitra-po ny an’iIay mpamily sy izay tao anatiny fa ny fiara tsara tarehy izay an’ny vahoaka nosimbaina no tena maha-saropiaro ny malagasy. Tsy vao sambany izao fa efa mateti-pitranga ny fiaram-panjakana tra-doza. Ny an’ny primatiora no tena betsaka ary vao tamin’iny herinandro lasa iny no nisy iray navadiky ny mpanolotsainan’ny praiminisitra tany an-kady. Nisy fiaran’ny minisitera iray hafa ihany koa very vao tsy ela akory izay. Tokony manolo na fara-faharatsiny manamboatra ny simba ireny olona ambony manimba fananam-panjakana ireny. Vola tokony ampandrosoana ny sosialim-bahoaka no laniana hividianana fiara ho an’ny tombontsoa manokana nefa mbola simbaina sy avadika etsy sy eroa fotsiny ihany. Tantely afa-drakotra marina ny fananam-pirenena ka izay mivadika soloina vaovao.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







