Mpaka an-keriny an’i Arnaud – Voatifitra ny iray saingy afa-nitsoaka
Mitohy ary miha-mivoatra hatrany ny fikarohana ataon’ireo mpitandro filaminana sy olon-tsotra ireo nahavanon-doza naka an-keriny an’i Arnaud sy Annie ka namono nahafaty ity farany. Ankehitriny dia efa fantatra ary efa alefa mandeha amin’ny fahita lavitra any Toamasina ny sarin’ireo ahiana ho nikotrika ity fakana an-keriny ity. Miisa dimy izy ireo dia : Freddy, Ramsy Michaël Georvelin antsoina hoe Ramika, Fredo, Randrianjaka Marcellin ary Rajaofenoarinaivo Lejô fantatra amin’ny solon’anarana hoe Massaro.
Isan’ny manampy tokoa ny famoahana ny sarin’izy ireo toy izay satria dia ny alakamisy alina lasa teo ohatra dia nahazo vaovao ny mpitandro filaminana fa eny Tsarahonenana (Toamasina) i Fredo. Nidina teny izy ireo ka nifanehitra tamin’ity farany. Nisy ny fampiasana basy nandritra izany ka fantatra fa voatifitra i Fredo saingy tsy mbola voasambotra kosa anefa fa afaka nitsoaka ka ny môtô nentiny sisa no tavela teo.
Isan’ny manaraka akaiky ity raharaha ity ny mponina any an-toerana ary tena manampy ny mpitandro filaminana ihany koa. Ny sabotsy lasa teo dia ny mponina tao Farafaty no nahasambotra ny iray tamin’ireo namoahana fikarohana ireo. Zandary nandalo teny an-toerana no nahita ireo olona nitangorona ka niezaka nanontany ny zava-nitranga. Teo no fantatra fa iray amin’ireo mpaka an-keriny no voatanan’ireo fokonolona ao fa ny iray kosa afaka nitsoaka raha roa izy ireo no niaraka. Nanohy ny fanenjehana ny mpitandro filaminana ka tratra ihany koa ilay fantatra amin’ny anarana hoe Marcellin. Ity farany moa izay tsy nety nilaza ny marina momba azy satria dia nahitana taratasy hosoka teny aminy. Io olona voalaza anarana teo amin’ilay karapanondro hosoka io no lazainy fa anarany fa tsy izany Marcellin izany. Marihina moa fa ny zandrin’ity farany dia efa voatazona ka izy no nanamarina fa i Marcellin tokoa ilay voasambotra. Nandritra ny fisavana nataon’ireo mpitandro filaminana tao amin’ny toeram-ponenany anefa tsy nahita afa tsy ody gasy izy ireo. Ilay voasambotry ny fokonolona kosa dia tsy isan’ireo amin’ny sary naparitaka fa kosa niaraka tamin’i Marcellin ka atao famotorana ihany koa. Mitohy hatrany ny fikarohana atao ary marihina fa mbola miankina amin’izany ny fanavotana an’i Arnaud.
N.F.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







