Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Krismasy – Porofoin’ny mpitondra fa mahantra ny malagasy

Efa ho ny antsasa-potoana mahery tamin’ny vaovaon’ny fahitalavitra televiziona nasionaly malagasy omaly atoandro no natokana ho an’ny fanomezana izay nolazaina fa avy amin’ny vadin’ny Filoham-pirenena. Mba niandry ihany ny mpijery tele fa tsy nahita ny endrik’izany vehivavy izany mihitsy na sary iray aza. Tsy tonga nizara fanomezana izy fa ireo mpiasany no nalefany hanao izany toy ny efa mahazatra. Na izany aza dia nahagaga ny maro fa naparitaka mafy mbola mihoatra noho ny an’ny filoha sy ny praiminisitra ity fizarana fanomezana ity. Mety tsy nanome baiko akory ny vadin’ny filoha fa ireo mpisolelaka sy mpaka ranondranony no manao tsindry bokotra amin’ny mpiasan’ny fahitalavitra mba ampisongadina izany vaovao izany. Dia naseho niharihary ireo zaza sahirana zara fa miakanjo, sy ireo beantitra efa trotraky ny fahasahiranana mba atao porofo fa tena nanome tokoa ry zareo tsara fanahy.

Adinon’izy ireo fa ny tsy fahombiazan’ny fitondram-panjakana ihany no mahatonga ny olona marobe sahirana ka mila fanampiana. Raha tena mandroso araka ny filazan’ireo manam-pahefana mantsy ity firenena ity tsy misy olona mila izany vary sy menaka ary siramamy tsy mahavita herinandro izany akory. Ny fisehosehoana amin’ny fampahalalam-baovao fa nanolotra izao sy izao ho an’ny mahantra dia efa porofo mitohoka amin’ny tendany fa marobe ny sahirana ary tsy manana ny arapaka na amin’ny andro fety aza.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre