Very ianao ry Antananarivo !
Voalazan’ny sampan-draharaha mpandrefy ny haavon’ny rano miakatra fa efa manambana sahady ny loza mety ateraky ny tondra-drano eto an-drenivohitra. Vao manomboka ny vanim-potoanan’ny orana ary tsy mbola misy rivo-doza mitsidika akory dia efa tsy voafehy intsony ny rano miakatra sy rano miandrona. Tsy afaka atao fialan-tsiny ny toetr’andro satria tsy vao izao teto Antananarivo no nisy orana fa efa isan-taona mihitsy. Herikerika kely minitra vitsy dia efa tsy azo andehanana intsony ny ankamaroan’ny lalana noho ny fiandronan’ny rano. Tsentsina ny tatatra ary feno lavaka ny arabe ka lasa toy ny renirano mandalo ny ankamaroan’ny lalana ao afovoan-tanàna. Vazivazy zary tenany no firesaky ny olona ny amin’ny hoe mila mampiasa lakana fa raha ny zava-misy dia tena efa azo itondrana lakana mihitsy eto Antananarivo renivohitra.
Iza no diso ? Ny mpitondra mazava ho azy. Tao anatin’ny roa taona latsaka kely dia ny fitondram-panjakana mivantana tamin’ny alalan’ny fametrahana delegasiona manokana no nitantana ny tananan’Antananarivo ary tsy nahavita nikojakoja ireo foto-drafitr’asa. Tena nandaniana vola be mihitsy ny fanampenana ny lavadavaka rehetra teny amin’ny lalana ary tena niasa ny fitondrana saingy tsy naharitra ireny zava-bita ireny fa vao tratran’ny rotsak’orana dia lasan’ny rano avokoa. Midika izany fa asa tandrametaka no natao matoa tsy naharitra fa simba. Amin’ny asa fanamboarana foto-drafitr’asa ho an’ny vahoaka toy ny lalana dia tokony hisy ny antoka ataon’ireo nahazo ny tolotra. Tokony manamboatra ny simba izy ireny raha toa ka tsy maharitra herintaona akory ny asa nataony nefa nandraisany vola be avy amin’ny Fanjakana. Lojika izany ary rariny sy hitsiny satria foto-drafitr’asa manara-penitra sy maharitra no nanakaramana azy ireo fa tsy lavaka ho tampenana ampiasaina ao anatin’ny roa na telo volana dia ho simba indray. Aiza ary ny fitondram-panjakana manoloana ireo lavaka be an’arivony manerana ny renivohitra. Fa maninona ireo minisitra voakasiky ny tolotr’asam-panjakana no tsy miantso ireo orinasa nokaramaina hanao ny lalana nefa nanao asa zara-fa-vita. Any ivelany dia sady manamboatra ny simba ireny orinasa ireny no manome onitra mihoatra lavitra noho ny vola nomena azy satria sokajiana ho mpamitaka sy mpisoloky ary mpanao ala safay fotsiny. Eto amintsika tsy misy resaka sy arakaraka fa mitsotsotra migalabona amin’ny vola be nomena azy izy ireo.
Rehefa tsy hanao ny Fanjakana dia manana andraikitra ihany koa ny eo anivon’ny kaominina hanao ny asa fanamboarana ireo foto-drafitr’asa fampiasan’ny mponina nefa tena hita fa simba. Efa nilaza rahateo ny olona tena akaiky ny ben’ny tanàna fa misioka tokana izy dia tonga ny mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka. Miantso azy hisioka ny mponin’Antananarivo renivohitra satria efa tena tsy azo ekena intsony ny fahasimban’ny tanàna. Tsy mila fanazavana ara-teknika sy politika, ny vahoaka fa kaominina tena miasa ary manome vokatra mivaingana no takiana. Raha izao no mitohy dia hiafara amin’ny hasorenan’ny vahoaka ity raharaha ity ka asakasak’izay rangory fototry ny afo tsy nanatanteraka ny fampanantenana nomeny. Hendry sy tsy tia ady ny mponina eto an-drenivohitra ka aza araraotina ampizakaina ny loto sy fako ary rano miandrona sy lalana feno lavaka sao dia atoandro fitery ronono ka ilaozan’ny omby mihahaka. Potika ny renivohitra ary tena lasa henatra eo imason’ireo kaominina manodidina sy ny vahiny sendra mandalo satria sendra izay mpitondra Fanjakana sy Ben’ny tanàna be resaka sy miseho ho tapitr’ohatra fotsiny nefa tsy mahatana ny teny nomeny akory. Very ianao ry Antananarivo reharehan’ny malagasy fahiny!
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







