Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Antananarivo – Manambana ny tondra-drano

Raha mitohy ny rotsak’ orana dia ahiana ho tondraka tsy ho ela ny rano amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra sy ireo kaominina manodidina. Tsy mitsaha-miakatra ny haavon’ny rano amin’ireo renirano 3 manodidina ny tanàna dia Imamba, Ikopa, ary Sisaony. Ny foibe famantarana ny toetr’andro anefa milaza fa mbola ho avy ny orana ary haharitra hatrany amin’ny volana martsa any. Efa namoaka filazana loza manambana ny birao misahana ny fitantanana ny loza voajanahary ary mampitandrina ireo eny amin’ny toerana mety ho azon’ny tondra-drano mba haka ny fepetra rehetra tandrify izany. Tsy misy na inona na inona azo atao rahateo hanakanana ny rano tsy hiakatra fa ny fiomanana mba ampihena ny loza sy ny voina ihany no fepetra azo raisina.  Mbola tsy zarizary ny foto-drafitr’asa misy eto amintsika ary resa-be fotsiny hatrany ny tetikasa hanamboarana ny lakan-drano sy tatatra fa tsy hita izay tena fanatanterahana azy.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre