Fenoarivobe – Lehilahy iray maty nilatsaham-potaka
Tsy mitsahatra ny mamono olona ny varatra ka tamin’ity indray mandeha ity, olona iray ao amin’ny distrikan’i Fenoarivobe no namoy ny ainy. Ny sabotsy lasa teo no nitrangan’izany araka ny fitantaran’ny loharanom-baovao. Avy be ny orana tamin’io andro io ary nanaraka izany nisy tselatra sy kotroka mafy. Mbola teny an-dalana hody ity lehilahy ity raha iny avy nandroaka ny ombiny hiditra ao am-bala no nidiran-doza. Tampoka teo nisy zavatra nidoboka mafy ary narahana tselatra. « Samy nahafantatra ny iray tanàna fa varatra ilay nilatsaka, saingy kosa tsy fantatra izay nilatsahany raha tsy efa nitsahatra ny orana ka samy nivoaka ny trano avokoa ny olona », hoy hatrany ny fanazavana. Io lehilahy io noho izany no nilatsahany ka teo no eo dia tapitra ny ainy. « Avy dia maina toy ireny may ireny ny vatany ary tsy nisy aina intsony izy no hitan’ny fokonolona ». Voalaza ihany koa fa efatra tamin’ireo omby koa no indray may sy maty niara nilatsaham-potaka tamin’ilay tompony.
N.F.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







