Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Vola sandoka – Mpivarotra efatra no indray lasibatra

Vola mitentina 80 000 ariary no fantatra fa vola sandoka niparitaka tao amin’ny fokontany Angodongodona ao anatin’ny kaominin’Ambatolampy. Olona iray no fantatra fa nanaparitaka azy ireo tamin’ny fividianana entana ny faha 21 ny volana lasa teo. Tsy tamin’ny fivarotana iray ihany anefa no nanaovany an’ izany fa mpivarotra efatra no indray noteteziny. Tao amin’ireo telo voalohany dia tsy nisy na iray aza nahatsikaritra ary tena nandeha tsara ny varotra natao. Ilay tovolahy koa moa nividy karazan’entana maro be koa dia sondriana teo ireo tompon’ny tsena. Tsy toy izany kosa ny zava-nitranga raha niantsena tao amin’ilay magazay faha-efatra ity mpanao vola sandoka.

Vao nandray ny vola ilay mpivarotra dia efa nahatsikaritra saingy tsy mbola tena tonga saina fa hoe tena vola sandoka tokoa ireo vola noraisiny. Efa lasa ilay tovolahy vao nanamarina izy ka tonga nampilaza ireo mpivarotra namany. Teo vao samy nikoropaka ireo vola madinika ka voamarina fa vola sandoka tokoa ireo an-tanana. Avy hatrany dia nametraka fitoriana teo anivon’ny mpitandro filaminana izy ireo ka teo no nanomboka ny fikarohana. Roa andro taorian’ny fitoriana azy dia saron’ny polisy ity tovolahy ity. Tsy izy irery ihany anefa satria nitohy hatrany ny fanadihadiana fa olona telo hafa ihany koa no nosamborina.

Miantso amin’ny fahamailon’ny tsirairay ny eo anivon’ny mpitandro filaminana amin’ny mety ho mbola fiparitahan’ireo vola sandoka indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fety ka maha betsaka ny mpiantsena izao.

N.F.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre