Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Antsakaviro – Skotera iray notrongisin’ny 4×4

Nidaraboka tamin’ny tany ary saika tsy tafatsangana ny lehilahy roa nitaingina skotera izay nodomin’ny fiara tsy mataho-dalana teny Antsakaviro omaly maraina. Teo amin’ny vatan’ilay kodiaran-droa mihitsy no voadona ka tsy afa-niala ireo nitaingina azy. Diso rahateo ireto farany, raha ny voalazan’ireo nanatri-maso satria tsy nijery fa tonga dia nisongona sy nirimorimo toy ny fanaon’ny mpitondra môtô maro.

Nijanona ny taksi-be iray nanome lalana ilay fiara 4×4 hiampita. Tsy nisaina akory ilay mpitondra skotera fa mbola nisongona nefa ilay 4×4 efa nandroso saingy tsy tazany. Zavatra nipoaka be fotsiny no henon’ny manodidina ary skotera iray nipasaka tao ambany 4×4 sy lehilahy roa nihosom-potaka teo afovoan’ny arabe. Tafatsangana saingy niolakolana sy nitaraina ho voa tao amin’ny tongony izy roalahy.

Ilay saoferan’ilay fiara kosa tsy niraharaha ny zava-nisy fa nijanona teo amin’ny familiana ihany niandry ilay môtô hesorina izay nibahana ny lalany. Samy tsy nisy nanasaro-javatra rahateo ny roa tonta ka vitavita ho azy teo ilay lozam-pifamoivoizana. Mila mitandrina ihany ireo mpandeha skotera

satria ny aina tsy ananam-piry ary ny tonga soa ihany no arahabaina.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre