Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Delestazy – Miaiky ny fahalemeny ny Fanjakana

Notsorin’ny praiminisitra fa ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka hafa, indrindra ny vahiny no antony tsy mahafoana tanteraka ny delestazy hatramin’izao. Nambarany mazava fa fahatarana eo amin’ny fitaovana ampiasaina no mahatonga ny jiro tapaka foana na efa tokony ho tafaverina amin’ny laoniny aza. Hafarana avy any ivelany amin’ny alalan’ny mpandraharaha tsy miankina mantsy ireo fitaovana ka misy ny fahatarana.

Manaporofo ireo rehetra ireo fa malemy ny Fanjakana ary tsy afaka manao tsindry amin’ireo orinasa vahiny tsy mahavita manaja ny fe-potoana nifanarahana. Hatreto rahateo dia saika herinaratra vokarin’ny orinasa tsy miankina no ianteheran’ny Fanjakana hamahana ny olan’ny delestazy. Misy ihany ny tetikasa anaparitahana ny angôvo azo ahodina manerana ny Nosy saingy mbola any an-kibon’ny omby izany satria vina lavitra ezaka fa tsy hamaha ny delestazy anio sy rahampitso akory.

Raha ny zava-misy amin’ izao fotoana izao no jerena dia tsy afaka ny hametraka ny fepetra hentitra mihitsy ny Fanjakana mba tsy hanapahana ny jiro intsony satria miantehitra amin’ny herin’ny hafa ka ho sahirana raha toa miady amin’ireo orinasa vahiny tsy miankina. Mitohy hatrany izany ny fahorian’ny malagasy satria tapatapaka foana ny jiro ary tsy azo ampiasana fitaovana ao an-tokantrano sao manimba zavatra. Mitovy amin’ny misy delestazy ihany ny « kopiora kopiora » ambetintenin’ireo teknisianina tapi-pahaizana ao amin’ny Jirama sy ny minisiteran’ny Angôvo.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre