Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Andravoahangy – Mikarama mibaby mpandalo ny ankizy

Nahita fidiram-bola vaovao ny ankizy madinika eny Andravoahangy sy Ambodivona ary ny manodidina hatramin’ny niakaran’ny rano vokatry ny rotsak’orana. Mibaby mpandalo izy ireo ka Ar 200 isan’olona ny karama takiany ho an’izay te hiampita nefa tsy sahy miroboka ao anaty ranom-potaka. Rehefa tsy zakan’ny ankizy iray ny olon-dehibe dia roalahy izy ireo no miara-milanja ka zaraina mitovy ny vola azo. Tsy misy vahaolana ankoatra ny filanjana sy ny sarety rahateo hatreto ny fifamoivoizana eny amin’ny faritra iva rehefa mijohy ny orana ka miakatra ny rano. Ankoatra ny tahotra tsy te hirobo-drano dia risika goavana, ihany koa, ny fisian’ny lavaka be sy ny tatatra tsy misarona takon’ny ranom-potaka. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy solontenam-panjakana ambony nidina nijery ifotony ny fiakaran’ny rano izay manelingelina ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Ireo polisy misahana ny fandrindrana ny fivezivezen’ny fiara sisa no tazana manao izay ho afany mba ampihenana ny fitohanana manerana ny tanàna.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre