Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Te ho lohany nefa poak’aty

Tontosa ihany ny fifidianana loholona izay natao omaly na dia tsy tambo isaina aza ny fanakianana sy ny fitarainana nipoitra tetsy sy teroa ny amin’ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana sy ny tsy fanarahan-dalàna niharihary nataon’ny mpanohana ny Fanjakana. Ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana rahateo toa tsy niraika firy tamin’ireo fitarainana fa nionona fotsiny tamin’ny fikarakarana ara-teknika fotsiny ihany. Izany hoe toy ny mahazatra eto amintsika dia ho very maina ireo fitarainana nataon’ireo nahita fa nisy ny tsy nety. Tsy misy azon’ireo niharan’ny antsojay atao intsony rahateo satria ny fifidianana efa vita ary ny vokatra efa fantampantatra sahady fa lasan’ny Hvm.

Na nilaza aza ny mpitondra Fanjakana sasany fa ity fifidianana loholona ity no manan-danja indrindra eto amin’ny firenena dia tsy izay velively ny zava-misy marina satria ny ankamaroan’ny vahoaka tsy nahalala akory izay fisian’izany, sy izay kandida ary ny antony nanatanterahana azy. Tsy nanao fampielezan-kevitra goavana mba ho fantatry ny vahoaka malagasy rahateo ireo antoko politika nandrotsaka kandida fa nifantoka betsaka tamin’ny mpifidy vaventy. Natao tsinontsinona ny vahoaka madinika satria fantatra fa tsy manan-jo handatsa-bato. Ireo mpifidy vaventy ihany koa izay ahitana ny ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly manerana ny Nosy dia nampiseho toetra tsy manaja ny mpifidy azy satria tsy mba naka ny hevitry ny vahoaka ifotony. Raha ny tena tokony ho izy dia nanontany ny hevitry ny vahoaka ireo mpifidy vaventy ka izay kandida loholona hita fa tian’ny maro an’isa eny anivon’ny kaominina no  ho fidiana. Tsy nisy nanao izany fakan-kevitra izany na iray aza fa samy nidinika mangina tamin’ny antoko politika nandrotsaka kandida tany ambadimbadika tany. Mazava ho azy fa tsy maintsy nisy nalaim-panahy nandrabiraby vola be ho an’ireo mpifidy vaventy izay toa anarany fotsiny fa olona zara raha nahita fianarana sy tsy ampy fahaizana ny ankamaroan’ny mandrafitra azy. Any amin’ny tany mandroso izany mpifidy vaventy izany dia tena olona manana ny maha-izy azy eo amin’ny lafiny fahalalana sy ny fahendrena ary to teny eny anivon’ny fiaraha-monina, ny tany sy ny Fanjakana. Eto amintsika, tena azo atao ny milaza fa ny maro an’isa amin’ny mpanolotsaina kaominaly dia tsy manana ny diplaoma bakalaorea akory. Inoana marimarina fa misy amin’izy ireo no tsy manana ny Cepe sy ny Bepc. Olona toy izany ve no lazaina fa vaventy? Tsy sanatria manambany ny tsy fahaizan’ny hafa fa kosa mila fahalalàna sy fahamatorana avo lenta ny andraikitra hisolotena ny vahoaka amin’ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fanendrena mpikambana amin’ny andrim-panjakana. Mbola miteraka resa-be hatrany ny fomba namaritana ireo mpifidy vaventy izay ny ben’ny tanàna sy mpanolotsaina fotsiny fa tsy nisy olom-boafidy hafa. Hita fa tsy ampy nanaovan’ny manam-pahefana tsindry aloka ny ankamaroan’ireo mpifidy vaventy ka nanaraka ambokony ny baiko sy toromarika nomena azy ireo fotsiny. Tsy resahina intsony ny fanambazana vola ho azy ireo.

Raha ireo zava-misy ireo no jerena dia hita fa tsy hanana ny maha-izy azy ny Antenimieran-doholona satria tsy tena mahasolo-tena ny vahoaka ary tsy naka ny hevitry ny vahoaka ireo nifidy azy. Ireo kandida loholona rahateo dia saika ireo efa basy maty sy nalaza ratsy amin’ny fanaovana hitsin-dalana politika ny ankamaroany.  Vitsy amin’ireo kandida loholona no afaka manaporofo fa tena olon-kendry sy madio afaka ny hijoro ho solontenan’ny vahoaka eo anivon’ny Antenimiera hisy azy. Saika ireo bevava fantatra tamin’ny fiandaniana politika ho an’ny tombontsoa manokan’ny antokony, ireo mpitarika korontana an-dalàm-be ary ireo mpanao fanaparam-pahefana no maro an’isa amin’ireo kandida. Tena very olomanga i Madagasikara ary lany olon-kendry satria lasa olona efa ratsy laza amin’ny zavatra nataony ankehitriny no miady hijoro ho lohany sy ho mpanapa-kevitra. Te ho lohany nefa poak’aty!

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre