Fako miavosa – Manomboka mitroatra ny vahoaka
Efa manomboka manao fihetsika fanehoana ny tsy fankasitrahany ny fako miparitaka manerana ny tanàna ny vahoakan’Antananarivo. Omaly dia naparitaky ny mponina teny Mahavoky teny afovoan’ny arabe ny fako rehetra ka tapaka hatramin’ny lalana. Tofoka tanteraka amin’ny fihetsiky ny kaominina sy ny Samva ary ny fitondram-panjakana ny mponin’Iarivo ary efa maro ireo mitaky ny hisian’ny hetsi-bahoaka hanehoana izany fahasosorana izany. Lasan-ko vavany fotsiny ireo manam-pahefana misora-tena ho tompon’andraikitra sy mitavana ny volam-bahoaka fa tsy mahavita na inona na inona akory. Mbola hitombo be ireo fako ireo amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao ary ahiana ny hiparitahan’ny areti-mifindra eto an-drenivohitra. Mifanilika andraikitra sy miady fahefana fotsiny ny ben’ny tanàna sy ny Samva fa samy tsy aninona tsy aninona ary tena tsy misy ilana azy mihitsy raha izao fako eto Antananarivo renivohitra izao. « Rehefa tsy hanao dia mialà mba tsy ho esorin’ny vahoaka », hoy ny antsoantson’ny olona teny Mahavoky omaly.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







