Mpivady voasoloky – Tsy raikitra ny fetin’ny mariazy fa nanjavona ny mpikarakara
Alahelo sy hatezerana no nihafaran’ny fanambadiana izay notanterahina ny sabotsy lasa teo. Nametraka ny fitokisany tamin’ny trano mpikarakara mariazy iray ireto mpifankatia, hay resaka fisolokiana no tao ambadika. Mpikarakara mariazy efa malaza amin’ny dokam-barotra maro samihafa ity nanao ny fisolokiana ity. Noho izay lazany izay dia tsy nanana ahiahy na kely akory ary ireo olona hiroso amin’ny fanambadiana. Tonga nanatona ny mpikarakara izy ireo ka niresaka tamin’ireo tompon’andraikitra. Nilaza izay hetahetam-pony amin’ny hanaovana ny fety, ny sakafo sy ny haingon-trano ary ny fanafanana lanonana tamin’ireo nilaza fa mpikarakara matihanina izy roa kely. Nandray sy nanaiky fa mahavita izany ny mpikarakara. Natao ny tombatombana rehetra ka namoaka ny sora-bola ilaina ireo mpikarakara. Nifanaiky ny roa tonta ka naloa ny vola rehetra efa mitentina an-tapitrisa maro. Niandry ny andro malaza sisa no nataon’ireo mpifankatia efa nahatoky sy nandry saina fa efa milamina ny zavatra rehetra. Efa nasaina avokoa ny fianakaviana ary efa raikitra fa any amin’ny toeram-pilanonana iray mivoaka kely ny renivohitra no atao ny fisakafoanana sy ny lanonana. Tonga tokoa ary ny sabotsy hanaovana ny mariazy teo vao samy kepoka raha nahita fa tsy mivoha akory ilay toerana voalaza fa handray izany. Nanontaniana ny tompon’andraikitra tao an-toerana ka nilaza fa tsy naharay famandrihan-toerana amin’io daty voalaza io izy ireo. Teo vao samy kepoka ka niantso avy hatrany ny mpikarakara saingy tsy nisy nahazoana azy ireo intsony ny findain’izy ireo. Hany herin’ireo mpivady vao sisa dia ny nifanaraka tamin’ilay trano filanonana ny mba hikarakara sakafo handraisana ireo olona nasaina.
N.F.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







