Vokatry ny fako – Nipoaka ny tranon-jiro teny amin’ny 67ha
Nipoaka ary nirehitra ny tranon-jiro iray eny amin’ny 67ha avaratra atsinanana omaly maraina. Be loatra ny fako ka takona ny fivezivezen’ny rivotra ao amin’ilay tranon-jiro ka izay no niteraka hafanana nampirehitra ireo fitaovana tao, araka ny fanazavan’ny teknisianin’ny Jirama. Tsy nalain’ny kaominina sy ny Samva ny fako ary tena voahodidina ilay tranon-jiro. Vokatr’izany dia tapaka ny jiro rehetra teny amin’ny tanàna manodidina omaly ary voatery tsy maintsy manangana foto-drafitr’asa vaovao mihitsy ny Jirama satria tsy azo ampiasaina intsony ilay may. Ora roa taorian’ny nitrangan’ny loza rahateo vao tonga ny mpamonjy voina ka tsy dia nisy nilana azy ireo intsony satria efa vitan’ny mponina ny namono ny foiben’ny afo nijoalajoala. Marihina fa efa toy ny tendrombohitra kely ara-bakiteny ny fiavosan’ny fako eny an-toerana ary mitobaka hatreny afovoan’ny arabe izany saingy zara raha misy manala mba tsy ilazana fa tazanim-potsiny.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







