Andrim-panjakana – Tsy afa-bela amin’ny HCC ny depiote
Ataon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) mandraingiraingy mihitsy ireo solombavambahoaka ao Tsimbazaza. Isaky ny misy lalàna laniana teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ka tsy levon’ny vavonin’ny governemanta, satria nasiam-panitsiana, dia lazain’ny HCC fa tsy manaraka ny Lalàmpanorenana ary tsy azo ekana sy tsy maintsy ovana. Farany teo izao dia niala maina indray ireo solombavambahoaka satria tsy nekena ny fangatahan’izy ireo hiara-hitantana ny vola fanome ny distrika mba ampandrosoana eny ifotony. Anisan’ny fepetra iray notakian’ny teny Tsimbazaza mba handanian’izy ireo ny tetibolam-panjakana 2016 anefa io fiaraha-mitantam-bola eny amin’ny distrika io. Fetsy ny teo anivon’ny Governemanta ka mody nanaiky izany mba hahalany ny tetibolam-panjakana saingy nofinganiny teny anivon’ny HCC ny solombavam-bahoaka ka tapi-dalan-kaleha. Tsy vao izao ny Antenimieram-pirenena no nobahanan’ny HCC fa efa im-betsaka. Anisan’ireny ilay volavolan-dalàna hifehy an’Antananarivo renivohitra izay tsy maintsy novaina na efa lany aza satria tsy manaraka ny Lalàmpanorenana. Teo ihany koa ny fitakiana ny fanatsaharana ny ny Filoham-pirenena amin’ny asany sy ny fitoriana mikasika ny tsy maha ara-dalàna ny fanendrena ny praiminisitra. Tsy afa-mikofoka mihitsy ry zareo avy eny Tsimbazaza raha vao tonga eny Ambohidahy ny raharaha. Andrasan’ny maro kosa ny fanatanterahana ilay satan’andraikitra izay ny HCC mihitsy no nandroso azy ary tokony ho soniavin’ny Antenimieram-pirenena sy ny fiadidiana ny Repoblika. Toa nasitrika iny raharaha iny satria tsy metimety amin’ity farany intsony.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







