Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Tratra sa nahatratra ?

“Arahabaina tratry ny farany, arahabaina tratry ny taona!” Marobe ny olona vao mandre io teny io izay tsy fisaorana no avaliny fa ny hoe “nahatratra fa tsy tratra”. Tsy ilay olona entin’ny hatsoram-po sy fitiavana miarahaba azy no jereny fa ny handiso izay teny nataon’ilay olona. Tia miady hevitra loatra isika malagasy ary be tsikera amin’ny tsy ihinanan-kanina sy ny tsy mampiahavana fa toa zary lasa mahazo fahafinaretana amin’ny resa be sy ny famakafakana tsy mitondra mankaiza. Tsy mahagaga raha vokisan’ny mpitondra sy mpanao politika resaka sy lainga ary fanazavana dia afa-po. Tsy voaala ny fakon’Antananarivo dia mifanosika mitondra fanazavana ireo tompon’andraikitra tsy aninona tsy aninona satria fantatr’izy ireo fa izay fanazavana izay no mahamaika ny vahoaka fa tsy ny fako miala. Mitohy ny delestazy dia fanazavana no entin’ny Fanjakana sy ny Jirama fa tsy izay ampitsahatra ny fahatapahan’ny jiro. Toy izany hatrany ny zava-misy rehetra eto amin’ny firenena. Fahanana sy vokisana fanazavana ny vahoaka dia faly sy miravo satria mahita lohahevitra iadian-kevitra eny an-dalana sy any an-tokantrano rehetra any. Adinon’ny malagasy fa ny resaka tsy ihinanan-kanina ary ny asa ihany no hahazoam-bokatra. Fotoana tokony hahavitana zavatra betsaka laniana amin’ny ady hevitra tsy misy mpihaino ary tsy misy mpanatanteraka fotsiny.Hita fa tena araraotin’ny manam-pahefana io fitiavan’ny vahoaka mihaino resaka io ka rehefa tsy mandeha amin’izay laoniny ny raharaham-pirenena dia amoronana tranga mampangitakitaka mba hanodinana ny saim-bahoaka hanadino ny tena olana eto Madagasikara dia ny fahantrana, ny fahaiza-mitantana, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly, ny fangalarana ny sy fanodinkodinana ny harem-pirenena ary ny fanaparam-pahefana.

Mety sy mahomby ny tetik’ady toy izany saingy kosa tsy maharitra ela fa andro vitsy dia tsy malaza intsony ary tsy maintsy mamorona tranga hafa indray ny mpitondra.

Adinon’izy ireo anefa fa ny ela nitoratorahana mahavoa mason’angatra ary ny alahelom-bahoaka mitambatambatra mbola zava-doza noho ny baomba rehefa mipoaka. Tsy fitapitaka madinidinika sy fandrebirebena mandavan-taona akory no hanafoana ny fahantrana eto amintsika. Mety misy havanana amin’ny asa fampiresahana sy fanodinkodinan-tsaina nefa kosa ny fanahy tsy mba vatsy ary ny kibo tsy mba lamosina ka raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy. Izany hoe mandalo ihany ny fanadinoana ny fahantrana fa tsy mitoetra mandavan-taona. Amin’izao faran’ny taona izao dia samy miezaka ny hanakona ny fahatrana sy ny fahoriana rehetra nozakaina nandritra ny taona ny rehetra amin’ny alalan’ny fanaovana fety sy fifalifaliana. Andro iray toa zato mba hitoniana ara-tsaina ho an’ny rehetra ny toy izao ka tsy maintsy maro ireo hanararaotra izany. Ny fiainana rahateo mitohy ary ny fanantenana tsy mety lany raha mbola velon’aina. Hano aloha ny hanina fa ny harena mila vintana hoy ny fomba fiteny izay. Atao sambo-balala main’andro rahateo ny asa fampandrosoana koa raha tsy azo anio ho azo rahampitso. Mila mitandrina ihany anefa tsy hijabaka amin’ny nofy ririnina sy ny revin-gadra ka rehefa taitra eo vao gaga hay nanao ariary zato am-pandriana. Tsy vitan’ny rediredy sy “hataoko ity, hataoko itsy” ny fivoarana amin’ny fiainana fa tonga dia asa eo no ho eo. Maro ihany koa mantsy ireo mametraka izao fanamby sy ny fikasana maro izao toy ny hoe hiala sigara sy toaka aho amin’ny taona ho avy, hiasa mafy aho, tsy maintsy manan-karena aho…Rediredy daholo ny filazana izany rehetra izany rehefa tsy misy fanatanterahana azy. Koa dia samy tratry ny farany ary samy hahatratra ny taom-baovao avokoa ary e!

 

Ravalo tsy Manana

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre