Atsimondrano – Tanimbary 20 ha no tondraka
Tanimbary manana velarana 20 hektara mahery no dibo-drano eny amin’ny distrikan’Atsimondrano. Misy fefiloha vaky ka izay no nahatonga izao loza izao. Raha mitohy ny orana sy ny fiakaran’ny rano dia hiitatra be io fahavoazana io. Miantso ny mpitondra fanjakana ny mponina mba handray andraikitra satria sady simba ny fihariana no mananontanona ny hisian’ny tra-boina indray. Eny Andohatapenaka II ihany koa efa miditra hatrany an-trano sy an-tokontany ny rano. Efa tena miaina ao anaty rano maloto tanteraka ny mponina ary milaza fa ny tsy fahalavorarian’ny tatatra fandehanan’ny rano no mahatonga izany. Mila vahana haingana io olana io satria raha tsy izany dia hisy tra-boina sahady amin’izao faran’ny taona izao. Ny orana rahateo ahiana mbola hijohy hatrany araka ny filazan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Efa ho 20 mahery ny kaominina tandindomin-doza amin’ny mety hisian’ny tondra-drano amin’izao fotoana izao.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







