Faritra avo – Manomboka mihotsaka indray ny trano
Tokantrano iray omaly no voatery tsy maintsy nasain’ny mpamonjy voina niala ny fonenany eny amin’ny faritra avo mba hisorohana ny loza mety hiseho. Tsy ny tranon’izy ireo anefa no atahorana hianjera fa ny trano hafa eo amboniny no tsy misy mitanty intsony ka ahiana hiotsaka aty ambany. Efa hatramin’ny fiandohan’ny taona no nihotsaka ny rary vato mitazona ilay trano lehibe eo ambony ary kely sisa mitana azy. Kaohin’ny rano tsikelikely ihany koa ny tany ao ambaniny ary efa karazan’ny mihantona ilay trano. Zava-doza no hiseho ka mety hiteraka faty mikararana mihitsy. Mitaraina ny mponina eny an-toerana ny mba andraisan’ny tompon’andraikitra fepetra haingana hisorohana ny loza mety hitranga sao tara loatra ka sarotra ny hanarina ny fahavoazana. Manana adidy akaiky indrindra amin’izany ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra izay namoaka ny fahazoan-dalana hanamboatra trano eny amoron-tevana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







