Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fifidianana senatera – Nisy kolikoly hoy ny KMF/CNOE

Novalian’ny Komity mpanara-maso ny fifidianana KMF/CNOE omaly fa tena nisy ny trangana kolikoly nandritra ny fifidianana senatera  farany teo ary nanjaka ny herin’ny vola sy ny teritery. Nentin’izy ireo ny porofo milaza fa nisy mpanolotsaina noterena hifidy izay tian’ny lehiben’izy ireo. Nambaran’ity Komity ity ihany koa fa tsy voahaja ny lalàna mifehy ny fifidianana ary mampametra- panontaniana ny tena fahaleovantenan’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana (Ceni).Manambara ireo rehetra ireo fa mitombina ny ahiahin’ny maro ny amin’ny tsy naha-tomombana tanteraka iny fifidianana loholona iny. Nihazakazahana sy natao tandrametaka fotsiny ahafahana mametraka ny olon’ny Hvm amin’ny andrim-panjakana lehibe dia ny Antenimieran-doholona. Efa maro ireo nitondra tsikera sy fitarainana saingy tsy nohenoin’ny fitondram-panjakana mihitsy izany fa nasesy ihany ilay fifidianana. Ny Ceni rahateo dia mijoro hatrany ho mpiaro sy mpanatanteraka ny tetikasan’ny fitondrana fotsiny fa tsy sahy mandray andraikitra manoloana ny tsy mety. Raha ny fihetsiky ny Ceni tamin’ity fifidianana ity dia manahy ireo niharan’ny tsy ara-dalàna fa tsy hisy ny andraikitra ho raisina manoloana ireo nanao tsindry sy fanitsakitsahana ny lalàna mifehy ny fifidianana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre