RN7 – Tapaka ny lalana, taraiky ny fanamboarana
Efa hatramin’ny sabotsy lasa teo no simba ny tetezana iray any amin’ny lalam-pirenen fahafito nefa hatramin’ny omaly dia tsy mbola azo naleha. Tapaka tanteraka ny lalana mampitohy an’Ambositra sy Antsirabe eo amin’ny fokontany Ambavatapia PK210 noho ny fihotsahan’ny tetezana. Tsy misy afaka mandeha fa voatery mijanona miandry ny rariny eo ny fiara rehetra avy any Toliara sy Fianatrantsoa hihazo ny renivohitra. Toy izany ihany koa ireo avy aty Antananarivo ho any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Vinavinain’ny teknisianina hisokatra anio maraina izy io saingy misy ny fandaminana manokana, izany hoe fotoana voafetra kely ihany no azo andalovana eo mandra-pahavitany tanteraka. Mimenomenona ireo mpitatitra satria tena fatiantoka iray lavaka no mihatra amin’izy ireo. Ny vanim-potoana toy izao anefa no fanararaotana mba hamenoana ny banga nandritra ny fotoana tsy misy mpandeha. Fantatra fa nisy kamiao iray lehibe niala ny lalana izay nahatonga ny fahasimban’io tetezana io. Ny fahanteran’ny foto-drafitr’asa sy ny tsy fanajana ny lanjan’ny entana entina ary ny fanaovana kitoatoa eo am-pitondrana fiara no tena antony nahasimba ity tetezana ity. Mazava ho azy fa vokatry ny kolikoly avokoa izay ny rehetra izany satria misy tompon’andraikitra tokony hanara-maso mialoha ireo fandikan-dalàna rehetra ireo mba hisorohana ny toy izao.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







