Fetin’ny faran’ny taona – Olona maro ho lasa sorona
Efa mihetsiketsika avokoa ny rehetra hiatrika ny fetin’ny faran’ny taona izay ho tontosaina anio alina. Betsaka anefa ny risika hisian’ny fahafatesana tsy ampoizina amin’io fotoana io. Voalohany mahatonga izany ny haratsin’ny foto-drafitr’asa ao afovoan-tanàna izay ahiana hiteraka loza maro raha toa ka avy ny orana. Ao Analakely, eo ampovoan’ny araben’ny fahaleovantena mihitsy dia misy lavaka efa ho 4 metatra mahery ny halaliny ary toy izay ihany koa ny savaivony nefa tsy misy na dia fefy akory napetraka ampitandremana ny olona tsy ho latsaka ao. Ahiana ho lasa dobo io lavaka io raha toa ka avy ny orana ary mety hisy ny hianjera ao. Efa miomankomana ary ho marobe rahateo ireo mpivarotra zava-pisotro mahamamo no hamelatra ny entana eny Analakely rahalina. Ny malagasy moa olona adalan’ny toaka sy labiera ka na ireo tsy mpisotro mandavantaona aza maro ny higoka tsy am-piheverena. Ny toaka sy ny hamamoana anefa no fototry ny fahafatesana be indrindra amin’ny fetin’ny faran’ny taona toy izao. Ao ireo matin’ny toaka fa tsy nahazaka, ao ireo matin’ny lozam-pifamoivoizana noho ny hamamoany na ny hamamoan’ny mpamily, ary tsy vitsy ireo maty noho ny adiadin’ny samy mamo. Mila mitandrina ny rehetra mba tsy ho lasa sorona ao anatin’ny fetin’ny faran’ny taona, ary mila mandray andraikitra hentitra ihany koa ny mpitandro filaminana hisorohana ny fihoaram-pefin’ireo tsy mahazaka ny alikaola nosotroiny.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







