Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Samy hijinja izay nafafiny

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ity taona vaovao 2016 ity. Mirary antsika rehetra hahatontosa izay nokasaina, ary hahavita izay natomboka ka hioty sy hijinja izay nafafy. Ny Filoham-pirenena rahateo dia efa nanindry tsara, nandritra ny kabary faran’ny taona ho an’ny vahoaka fa ho taom-piotazana ity taona 2016 ity. Enga anie ka ho tanteraka izay teniny izay satria tena miandry vokatra ny vahoaka ary efa ela ihany ny roa taona izay nametrahana ny fototra sy namafazavana ny voa ‘ho fampandrosoana’ izay. Manantena ny malagasy, manomboka izao, fa tena handroso be amin’izay ny firenena ary hita hisongadina ny fiantraikan’izany eny amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano. Inona tokoa moa no atao hoe fampandrosoana ? Raha ny akaiky indrindra dia ara-toe-karena no ifantohany. Izany hoe manam-bola ahafahany miaina toy ny vahoaka any amin’ny firenena matanjaka ny malagasy. Misakafo tsara, miakanjo tsara, mipetraka amin’ny trano manara-penitra, lavorary ny foto-drafitr’asa toy ny lalana sy ny firafitry ny tanàna, afaka mampiana-janaka ary afaka mitsabo tena rehefa misy marary. Santionany kely amin’ny endriky ny fandrosoana ireo nolazaina ireo saingy mbola marobe ny fepetra ary ireo aloha izao no tena ilain’ny vahoaka malagasy maika. Izany hoe raha tena marina ny nambaran’ny Filoha dia ho tanteraka avokoa ireo rehetra ireo amin’ity taona ity. Izay rahateo no andrasan’ny vahoaka fa tsy mitady zavatra tsy azo tanterahina izany ny malagasy.

Raha tena taom-piotazana araka ny filazan’ny Filoha ity taona ity dia inoana sy antenaina fa ho foana avokoa ireo hetsika maro ambaran’ny mpitondra fa fingampingana ara-politika. Tsy hisy olona, na iray aza eto, ho voatarika amin’ny fitokonana esty sy eroa, raha toa ka mety sy mivoatra ny fiainany. Tsy adala akory ny malagasy ka hanaiky ho rebirebena amin’ny asa fanakorontanana raha milamina tsara ny fiainany. Hahazo mahamay amin’ny vahoaka izay mpanao politika mikasa ny hanakorontana ny Fanjakana raha tena miasa sy mahita vokatra ho an’ny vahoaka ity farany. Hilamina i Madagasikara ary na ny tsy fandriampahalemana aza hihena ho azy satria tsy mila mangalatra intsony ny olona dia velona sy mahavelon-tokantrano.

Tena lojika ireo resahina rehetra ireo nefa koa karazan’ny nofy ririnina ihany raha ny zava-misy hatramin’izay no jerena. Sarotra ho an’ny maro mantsy ny hino fa ato anatin’ny fotoana vitsy dia hiakatra be ny sandan’ny Ariary ary hihena miaraka amin’izay ny vidin’entana rehetra fampiasa andavanandro. Hihena toy izany, ihany koa, ny faktioran’ny Jirama sy ny vidin-tsolika ary hisondrotra ny fari-piainan’ny malagasy isan-tokantrano. Mirakla, raha izany no mitranga, nefa azo atao tsara raha misy ny finiavana tena hampandroso marina ity firenena. Tsy lany olon-kendry sy manam-pahaizana afaka ampandoroso azy i Madagasikara saingy tsy omena ny sehatra ahafahany tena miasa izy ireny satria bodoin’ny olom-bitsy, izay efa hita fa tsy mamokatra, ny ankamaroan’ny sampan-draharaha fitantanana ny firenena. Raha tao anatin’ny roa taona kosa no tsy nahavita nampiseho vokatra nisongadina ny olona sasany ambony toerana sy be fahefana eto amin’ny firenena dia tsara ho azy ireny ny esorina ka omena izay tena vonona sy manam-pahaizana  ny sehatra ahafahana miasa. Ny dikan’ny hoe esorina dia tsy hoe omena toerana hafa fa tena avoaka ivelan’ny fitantanana ny firenena mihitsy. Nisy ihany mantsy ireo minisitra sy tale, ary lehiben’ny sampan-draharaha nesorina fa tsy nahomby saingy nafindra asa fotsiny izy ireny. Tsy fotoanan’ny kitranoantrano intsony izao satria mila vokatra ny firenena ary ny filoha efa nilaza fa taom-piotazana ity. Mila mitandrina anefa izy satria izay nafafy ihany no hiotazana. Izany hoe samy hijinja izay nafafiny. Sao sanatria mantsy misy diso hevitra manantena ny hioty vary kinanjo hijinja tsiparifary.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre