Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

CUA – Voaheloka hanatsara ny tanàna

Tsy maintsy manome vokatra faran’izay haingana amin’ny fanatsarana sy ny fampandrosoana ny tanàna ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra satria tsy misy antony afaka anilihana ny tsy fahaiza-mitantana intsony manomboka izao. Ny fanadiovana ny renivohitra amin’ny alalan’ny fandaminana ny mpivarotra amoron-dalana hiditra any anaty tsena ara-dalàna, ny fampirindrana ny fifamoivoizana tsy hisy fitohanana be intsony, ny fanadiovana ny tanàna hatrany amin’ny elakelan-trano rehetra any, ary ny fanamboarana ireo foto-drafitr’asa simba sy ny fametrahana ny fandriampahalemana no asa andrasan’ny vahoaka voalohany. Tokony ho ao antin’ny herinandro dia misy vokatra hita maso izany rehetra izany raha tena mahay sy miasa araka ny nampanantenainy ny mpitantana.  Tsy azo ekena intsony ny fanilihana andraikitra sy ny andraso andraso satria tsy ben’ny tanàna hitaraina no ilain’ny vahoaka fa olona miasa sy mampisongadina fa tena mahavita.

Tsy tokony hisy intsony, manomboka amin’ity herinandro ity, ny mpivarotra amoron-dalana manerana ny tanànan’Antananarivo. Tena asan’ny kaominina ny manala azy ireny fa tsy an’ny Samva na an’ny fitondram-panjakana foibe. Tena asan’ny kaominina ihany koa ny manadio ny tanàna amin’ny famafana lalana sy ny fanesorana ireo zavatra rehetra mety manelingelina ny fifamoivoizana sy ny fiaraha-monina. Mbola asan’ny kaominina ihany koa ny manala ny fako rehefa tsy mahavita ny Samva satria tsy ny Samva no nofidian’ny vahoaka fa ny ben’ny tanàna. Andraikitry ny kaominina ihany koa ny manampina ireo lavaka rehetra eny amin’ny arabe. Voaheloka hiasa hanatsara an’Iarivo ny mpitantana ny kaominina satria tsy noterena izy ireo na notambazana fa sitra-po ny nahatongavany teo.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre