Ambohimanga – Tovolahy iray maty notifirin’ny dahalo
Tovolahy iray 23 taona any ho any no maty voatifitry ny dahalo, teny Ambohimanga, ny alin’ny taom-baovao lasa teo. Nanatanteraka fanafihana mitam-piadiana tao an-toerana ny olon-dratsy miisa 6 io alina io. Vao nanapoaka basy anefa ireto farany dia nitsirika avy eo am-baravarankely ilay tovolahy ary tazan-dry zalahy izany ka norarafan’izy ireo tifitra avy hatrany. Voa teo amin’ny tendany ka maty tsy tra-drano. Lasan’ireo dahalo avy eo ny omby miisa 3 an’ny dadatoany izay mipetraka mifanakaiky eo ihany. Fantatra fa tsy tao an-toerana io dadatoany io tamin’ny fotoana nandalovan’ireo mpangalatra fa ny nenitoany irery no tao. Araka ny vaovao voaray dia miaramila ny sasany tamin’izy enin-dahy nanao ny fanafihana sady olona avy any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Nandrahona ireo voatafika ihany koa ireo dahalo alohan’ny nialany ny tanàna nilaza hoe « tsy maintsy matinay ianareo mianakavy ». Efa hatramin’ny 4 sy 11 desambra no nanafika sy nivezivezy teny an-toerana ireo olon-dratsy, raha ny fanambaran’ny loharanom-baovao hatrany. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







