Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Mpitaingina bisikileta maty voadonan’ny fiara – Nandositra ilay mpamily

Lehilahy iray 36 taona, no maty tsy tra-drano, tany Ampasimbola, kaominina Fanandrana, distrikan’i Toamasina faharoa, ny andron’ny  taom-baovao lasa teo, tamin’ny 3 ora maraina. Nitaingina bisikileta izy no nodomin’ny fiara nandalo avy any aoriana. Olona sendra nandalo no namonjy azy. Ilay fiara nahavanon-doza kosa nandositra ka tsy mbola fantatra ny mombamomba azy. Nampandre ireo zandary nanao barazy tao amin’ny Sarimasina avy hatrany ilay olona nahita ny lozam-pifamoivoizana. Nidina teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza izy ireo nanao ny fizahana sy nitondra ilay niharam-boina tany amin’ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ainy teny amin’ny lalana nihazo ny toeram-pitsaboana. Natolotra ny fianakaviany ny razana. Mitohy ny fikarohana ny fiara nahavanon-doza.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre