Asa – Tovovavy an-jatony voasolokin’ny orinasa vaventy iray
Tovovavy maro no voasolokin’ny orinasa vaventy iray mikirakira ny fahitalavitra sy aterineto eto an-drenivohitra. Araka ny fanazavana dia tovovavy an-jatony izy ireo no noraisina niasa tao amin’ity orinasa ity hanentana ara-barotra tamin’iny ankatoky ny fety iny. Natao ny fifanarahana ka alohan’ny fetin’ny taom-baovao no handray ny karama nefa tsy izany no nitranga. « Noraisin’io orinasa io izahay hiasa aminy hanentana ara-barotra tamin’iny ankatoky ny fety iny. Nizara ireny taratasy kely ireny ho an’ny olona rehetra mandalo eran’ny lalana izahay. Vitanay ny asa nampanaovina anay nefa ny karama tsy azo. Nifanarahana anefa fa omena anay alohan’ny fety ny volanay fa tsy izany no niseho satria tsy hita intsony ilay tompon’andraikitra nandray anay. Tsy vitan’izany fa tsy azo antso intsony ny laharana finday nomeny. Mihevitra izany izahay fa nisolokian’io olona io », hoy Lanto, isan’ireo tovovavy niasa tamin’io orinasa io.
Fantatra anefa amin’izao fa mbola mikatona io orinasa io, ary tafiditra ao anatin’ny fialan-tsasatra isan-taona, izay midika fa tsy misy mihitsy ny fanantenana fa ho aloa ny karaman’izy ireo toy ny fifanarahana. Manoloana io tranga io dia nilaza tsy hipetra-potsiny ireo tovovavy fa hitondra ny raharaha eny anivon’ny manam-pahefana raha tsy mipoitra mihitsy ilay tompon’andraikitra. Tsikaritra izao fa tena mahazo vahana tanteraka ny fisolokiana, eny, fa na ireny orinasa lehibe ireny ary aza dia voakasika koa.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







