Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Brickaville – Ramatoa iray maty voahitsaky ny lamasinina

Loza mahatsiravina no nitranga tany Fetra-Omby, distrikan’i Brickaville, ny alahady lasa teo. Vehivavy iray no hitan’ny olona naratra mafy manakaiky ny lalam-by tany an-toerana, tokony tamin’ny 9 ora maraina. Araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao dia azo vinavinaina avy hatrany fa mety ho voahitsaky ny lamasinana izy io. Tsy nisy nahita ny loza nahazo azy, tsy fantatra ihany koa ny antony nahatonga izany. Fanontaniana mipetraka anefa ny hoe, « tsy henon’ilay ramatoa ve ny feon’ny lamasinana manaraka avy ao an-damosina sa nanao fanahy iniana izy ? » Ahiana ho namonon-tena mantsy izy io.

Nentina haingana tany amin’ny hopitaly any Brickaville izy avy eo mba hahazo fitsaboana haingana. Na teo aza anefa ny ezaka nataon’ireo mpitsabo dia tsy tana intsony ny ainy omaly maraina vao mangiran-dratsy. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Misokatra kosa etsy andanin’izay ny fanadihadiana mikasika izao trangan-javatra izao. Ny polisin’ny orinasa Madarail no miandraikitra izany, raha ny fanazavana azo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre