Manjakandriana – Olona iray maty, omby 4 lasan’ny dahalo
Nitrangana fanafihana dahalo tany amin’ny tanànan’Antsahabe, fokontany Ampohibe, kaominina Ambohitrolomahitsy, distrikan’i Manjakandriana. Ny alin’ny 2 janoary lasa teo, tamin’ny 9 ora sy sasany alina no nisehoan’izany. Dahalo miisa 10 mirongo Mas 36 sy kalachnikov no nanafika tamin’io tanàna io, araka ny loharanom-baovao. Omby miisa 4 kosa no lasan’izy ireo. Nanapoaka basy in-enina ireo olon-dratsy nandritra ny fandrobana. Samy namitsaka tao an-tranony avokoa ireo fokonolona vao naheno ny feom-basy. Tsy nahasakana ny tompon’omby, izay tovolahy vao 20 taona monja, tsy hanohitra azy ireo anefa izany.
Vao nahatazana ireo dahalo nihazo ny valan’ombiny mantsy izy io dia nivoaka avy hatrany niaraka tamin’ny zava-maranitra saingy noho ny hery tsy mitovy dia maty voatifitra.
Nandositra kosa ireo mpangalatra vao nahazo izay nilainy. Nampandre ny mpitandro filaminana ireo fokonolona avy eo ary nidina teny an-toerana izy ireo nanao ny fizahana. Nandritra izany no nahitana taim-bala miisa 5. Taorian’izay, nanatanteraka fanarahan-dia an’ireo dahalo niaraka tamin’ny fokonolona ny zandary. Efa mandeha ny fikarohana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







