Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Anosibe An’ala – Tafo 124 may, olona 700 traboina

Nitrangana haintrano tany Anosibe An’ala, kaominina Antandrokomby, ny alakamisy 31 desambra lasa teo, tamin’ny 12 ora atoandro. Tokantrano miisa 124 no indray ripaky ny afo tamin’izany fotoana izany, tao amin’ny fokontany Mangoro. Tsy fantatra ny nahatonga ny fahamaizana fa niainga avy amin’ny trano iray ny afo ary niparitaka tamin’ireo 123 ambiny avy eo.

Nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo ireo mponina tany an-toerana raha vantany vao nanomboka ny firehetana saingy noho ny tsy fahampian’ny rano sy ny fitsokan’ny rivotra dia nanano sarotra azy ireo izany. Naharitra ora maro vao voafehin’izy ireo tanteraka ny afo. Vokany, lasa lavenona tsy nisy niangana tao anatin’ny fotoana vitsy avokoa ireo trano ary tsy nisy noraisina ireo entana ka anisan’izany ny vokatra toy ny vary tao anaty sompitra.

Tsy nisy kosa ny aina nafoy fa olona iray no naratra mafy, enina hafa naratra voan’ny fantsika. Mahatratra 700 kosa ireo fianakaviana tsy manan-kialofana vokatry izao haintrano izao. Tombanana an-tapitrisa ny teti-bidin’ny zavatra may.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre