Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Manakara – 10 mianadahy mpamaky trano saron’ny polisy

Nody ventiny ny rano natsakaina tany Manakara, tamin’ny fahatratraran’ny polisy tany an-toerana ireo olona 10 mianadahy, nandritra ny « hetsika polisy », ny 29 sy 30 desambra lasa teo. Izy ireo izay malaza ratsy amin’ny famakiana trano sy fanafihana mitam-piadiana. Araka ny loharanom-baovao, efa tambajotra mihitsy izy ireo ka misy hatramin’ny zaza tsy ampy taona, mpividy halatra ary vehivavy. Ity farany izay efa nigadra noho ny resaka famakiana trano izay hatrany.

Niaiky ny heloka vitany avokoa izy rehetra nandritra ny famotorana azy ireo ary tamin’izany ihany koa no nilazany ny toerana nanafenan’izy ireo ny entana rehetra voaroba. Sarona tao amin’ilay trano ny entana aman-taonina izay nangalarin’ireto mpangalatra ireto fa ny vata-fahitalavitra sy ireo solosaina kosa efa lafo. Efa ao amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana avokoa noho izany ireo entana ireo ka niangaviana ireo olona rehetra vaky trano tany an-toerana samy hitondra fanamarinana hahazoany maka ny fananany.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre