Tratra fa tsy nahatratra
« Tratran’ny taona no fiteny fa tsy nahatratra ny taona » ! Io no fanamarihana nentin’ny mpandalina tantara sy vakoka ary mpanoratra amin’ny teny malagasy iray taty amin’ny « Bala » omaly vao maraim-be. Tsy nahatsindry fo, ary tsy nahatam-bava io mpandinika io na dia niezaka ny hangina aza mba hisorohana ny ady hevitra be tsy misy farany momba ity fomba fifampiarahabana amin’ny taom-baovao ity. Anisan’ny antony nitenenany ny fiheverana fa toa izay be resaka sy avo vava ihany no lasa manana ny marina nefa tena mandiso ny tantara sy ny kolontsaina malagasy. « Tratran’ny taona no fiteny », ho izy, satria ny zanak’olombelona no mpanjakan’ny zava-boahary ary ny taona no vao tonga fa ny olona efa teo. Misy mitombina ihany ny fanazavany raha jerena ny lojika satria ny any aoriana no mahatratra fa tsy ny efa teo. Any aoriana any ny fiteny raha miresaka ny taona ho avy. Izany hoe milaza mazava fa eo alohan’ilay taona ho avy resahany ilay olona miteny. Rehefa tonga io taona io dia tratran’ilay taona izy. Ho an’ity mpandalina ny maha-malagasy ity dia tsy hiady hevitra be izy fa tsotra ny soson-kevitra natolony : « asaivo manao fikarohana momba ny tantara sy ny vakoka malagasy ireo mpiteny hoe “nahatratra ny taona no mety” mba tsy handiso ny marina ».
Inoana fa misy manam-pahaizana hafa any ho any mety manana ny fomba fijeriny ary afaka mitondra fanazavana, ihany koa, satria ny tanjona dia tsy hifandiso na hifanebaka, sanatria, fa ny hamantatra ny tena fomba fiteny marina mba tsy hahavery sy handiso ny kolontsaina malagasy. Eo am-pikarohana ny tena marina hatrany rahateo ary eo am-pikatsahana ny fampandrosoana ny firenena isika ka tsy atao teny diso tsy mba kabary intsony ny maha-malagasy fa kosa iaraha-misalahy ny fanandratana azy ka atao toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety harenina. Na izahay mpanoratra ity “Bala” ity aza manaiky fa misy ny fomba fanoratra diso noho ny faha-samihafan’ny toromarika avy amin’ireo manam-pahaizana momba ny teny malagasy. Tsy maintsy ho tohizana anefa ny fanoratana amin’ny teny malagasy satria izay ihany no fomba ahafahana mitily izay voambolana tsy nety ka hanitsiana izany hatrany amin’ny manaraka. Tsy misy tapi-pahaizana rahateo eto an-tany ary ny fampandrosoana dia miankina amin’ny fanatsarana ny lesoka teo aloha ka tsy amerenana izany intsony amin’ny manaraka. Ny fiaikena fa nisy ny diso ary manaiky ny hanova izany sy hanatsara hatrany no lalana mahomby hirosoana amin’ny fahombiazana sy ny fahazoam-bokatra. Tsy vitan’ny fanakianana ny hafa mba hahazoana mieboebo mantsy ny fiainana fa mila fandinihan-tena sy fanetren-tena ary fihainoana ny torohevitra omen’ny olona tsara sitra-po sy manam-pahaizana manokana. Mandaitra izany fomba fiasa izany amin’ny sehatra rehetra , indrindra indrindra eo amin’ny fanatsarana ny fiaimpiainan’ny tsirairay sy, ihany koa, ny fampandrosoana ny firenena. Raha samy miaiky mantsy ny mpanao politika sy ny mpitondra Fanjakana fa misy ny lesoka amin’ny asa fampandrosoana tiana apetraka ka tsy mahatafarina ny firenena dia ho mora kokoa ny ametraka tetik’ady mahomby iarahana mamaha izay olana saro-bahana. Tsy mora ny miaiky ny lesoka natao nefa kosa tsara kokoa ny mampandefitra ny hambom-po mba hisondrotana hatrany eo amin’ny fiainana. Koa amin’izao taom-baovao izao dia entanina ny rehetra hahay hihaino sy hisaintsaina ny torohevitra omen’ny hafa fa tsy hanao toy ireo minia mikipy mba tsy handre ny marina, na minia manapi-maso mba tsy hahita ny zava-misy satria mitompo teny amin’ny hevitra diso. Enga anie ka samy hahay handanjalanja sy hieritreritra ka samy hahatratra ny tanjona iriany fa tsy sanatria hanao be marenina ka ho tratry ny nenina.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







