Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Ambatondrazaka – Dahalo 12 voasambotra niaraka tamin’ny basy

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana ny fokontany Ambodifarihy, kaominina Ampasikely, any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, ny 22 desambra 2015 lasa iny. Dahalo 12 mirongo fitaovam-piadiana no nandroba omby tao an-tanànan’Amparimaro tamin’izany fotoana izany. Nipoapoaka ny basy mba ampitahorana ireo mponina tao an-toerana ka lasa ny omby miisa 12.

Nampandre ny zandary avy hatrany ireo fokonolona raha vao nivoaka ny tanana ireo olon-dratsy ary nidina teny izy ireo nanao ny fizahana. Tsy nijanona teo anefa fa nanao ny fanarahan-dia ireo dahalo ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny fokonolona. Nifanehitra tamin’ireo mpangalatra izy ireo rehefa niditra ny tanana atao hoe Ampanefy. Raikitra ny fifandonana tamin’ny roa tonta ary rehefa ela nifampifitra teo dia nilavo lefona ihany ireo dahalo. Voasambotra avokoa noho izany ireo malaso niaraka amin’ny basy sy ny bala ary ireo fanafody gasy ampiasain’izy ireo rehefa hanantanteraka ny asa ratsiny. Tafaverina amin’ny tompony avokoa ny omby rehetra.Tsy nisy ny aina nafoy na naratra na tamin’ny andaniny na ny ankilany. Efa nandalo teo anatrehan’ny fitsarana tao Ambatondrazaka ny alatsinainy teo ny raharaha ka notanana am-ponja vonjy maika ireo dahalo.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre