Ambilobe – Dimy lahy nokasaina atao fitsaram-bahoaka
Dimy lahy ahiana ho tompon’antoka tamin’ny vono olona niseho tany Ambilobe no takian’ny havan’ny maty atao fitsaram-bahoaka. Ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny fokontany Matiakoho no nisehoan’izany. Tamin’ny fetin’ny taom-baovao no niandohan’ny olana, tamin’ny nahafatesan’ny tovolahy iray 23 taona. Vokatry ny adiady teo amin’ny andian-jatovo maromaro no nahatonga izany, izay niafara tamin’ny fanindromana antsy io tovolahy voalaza eo ambony io. Vokatry ny ratra mafy nahazo azy dia tsy tana intsony ny ainy na dia nanao ny ala nenina rehetra aza ireo mpitsabo nandray an-tanana azy.
Tsy nanaiky kosa ny fianakavian’ny maty fa nitondra ny raharaha teo anatrehan’ny polisy avy hatrany ka olona fito no nosamborina. Rehefa natao ny famotorana azy ireo dia navotsotra ireo dimy lahy noho ny tsy fahampian’ny porofo izay nahatonga ny disadisa. Tsy nanaiky io fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitandro filaminana io mantsy ny fianakavian’ny maty. Namory olona noho izany izy ireo izay nitaky ny hanaovana fitsaraham-bahoaka ireo dimy lahy.
Niezaka nanao ny fanelanelanana, araka izany, ireo mpitandro filaminana ka tony ihany ireo vahoaka. Nilaza izy ireo fa hiverina hisambotra azy dimy lahy ireo ary ho hamafisina kokoa ny famotorana atao azy ireto. Mitohy ny fanadihadiana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







