Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Antsiranana – Mpizaha tany voaroba 2000 farantsa soïsa

Mpivady mpizahatany teratany Soïsa no norobain’ny jiolahy, teo amin’ny lalana miakatra ny Allamanda, any Antsiranana, ny alahady lasa teo. Niaraka tamin’ilay sambo lehibe Neo Costa Romantica izy roa ireto ary tamin’ny fivoahan’izy ireo ilay sambo no nisy nanendaka izy mivady ka lasa ny vola mitentina 2000 farantsa soïsa. Karazany efa niandry olona ho robaina  avy tamin’ity sambo ity ireo mpanao ratsy, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana. Nitondra fiara izy ireo ary tsy nisy nahatsikaritra ny laharan’izany nefa tsy manalavitra ny vavahadin’ny seranam-tsambo no misy ny zandary. Efa tamin’ny fitoriana nataon’ny tompon’andraikitra ny sambo no nahafantarana ny trangan-javatra. Raha ity zavatra niseho ity dia tsikaritra fa tena marefo ny fitandroana ny filaminana eto amintsika. Ary ny fihetsika tahaka izao dia manimba endrika ny fizahantany eto amin’ny Nosy.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre