Milamindamin-dratsy !
Somary mangingina ny raharaha politika eto amin’ny firenena amin’izao fiandohan’ny taona izao. Toa mifampiandriandry izay hiteny sy hihetsika mialoha fotsiny ireo mpifanandrina ara-politika. Hita mazava fa ny fizotry ny fifampiarahabana tratry ny taona eny Iavoloha no andrasan’ny maro ho toy ny kiririoka fanombohan’ny ady lahy politika amin’ity taona ity. Ady lahy no fiteny azy saingy toe-draharaha politika raha ny marina kokoa. Samy manao izay ho afany ampisongadina ny foto-keviny mantsy ny firehena samihafa ary ny tena tanjona iraisan’izy ireo dia ny fahazoana ny toeran’ny praiminisitra. Na ireo antoko tena mpitsiketra mafy ny fitondrana aza dia mba mikendry ny lapan’i Mahazoarivo ihany koa ary vonona ny hiova kabary raha mahazo izany. Ny toeran’ny filohan’ny Antenimieran-doholona rahateo efa tsy misy azo antenaina intsony satria mazava ho azy fa ho lasan’ny antoko Hvm. Ny eny anivon’ny Antenimieram-pirenena sisa no tsy fantatra satria raha tian’ny mpitondra ny hametraka olon’ny Hvm eo amin’ny sezan’ny filohan’ity andrim-panjakana mpanao lalàna eny Tsimbazaza ity dia vitany izany. Efa imbetsaka ny fitondrana no nampiseho hery fa tsy sarotra aminy ny manova ny firehan-kevitry ny ankamaroan’ny solombavambahoaka.
Miandry izay ho kabarin’ny Filoham-pirenena amin’io fifampiarahabana tratry ny taona io ny rehetra izay vao hipoitra sy haneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaham-pirenena. Ny azo antoka aloha dia tsy maintsy hanindry mafy ireo programa heveriny ho lehibe sy manan-danja indrindra ho an’ny firenena amin’ity taona ity ny Filoha. Anisan’izany ny fandraisana ireo fihaonana iraisam-pirenena toy ny fivorian’ny frankofonia sy ny Comesa. Ankoatra ireo dia tsy maintsy ho voaresaka ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika vahiny. Ho lazain’ny Filoha, ihany koa, fa ho vitaina ireo nampanantenainy ary atao laharam-pahamehana ny fametrahana ny fanamarinan-toerana politika amin’ny alalan’ny fampiodinana ireo andrim-panjakana rehetra voafaritry ny Lalàmpanorenana.
Miandry zava-dehibe hafa, ankoatra izany efa tsianjery fanaon’ny mpitondra nifandimby izany, anefa ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao. Mila vokatra ny vahoaka ary efa niaraha-nahita sy niaina fa tsy nisy fiantraikany firy tamin’ny fiainan’ny isan-tokantrano ny fomba fiasa 100 andro nataon’ny governemanta teo na dia hafa aza ny fomba fijerin’ny mpitondra izany.Tsy misy mandà hoe tsy namokatra ny asan’ny mpitondra saingy kosa tsy mitovy ny tatitra an-taratasy sy ny tena fiainan’ny vahoaka. Tsy mirakla no ilain’ny malagasy fa lojika sy zava-misy. Izany hoe mila mamoaka paik’ady mazava tena maharesy lahatra sy mahomby hanatsarana ny fari-piainan’ny malagasy ny Filoha. Voalohany amin’izany ny fampidinana ao anatin’ny fotoana fohy ny vidin’ny sakafo ilain’ny mponina andavanandro izay tsy nitsaha-nisondrotra tamin’iny taona 2015 efa nivalona iny. Efa reraky ny fahantrana ny vahoaka malagasy ary efa leo korontana ka miandrandra fiainam-baovao milamina sy anaty fampandrosoana hanjakan’ny fandriampahalemana. Ny mpitondra Fanjakana no nametrahana fitokisana hanatanteraka izany ary andrasana ihany koa mba tena hamokatra fa tsy handany andro amin’ny kabary be sy fampanantenana poak’aty fotsiny. Raha ny kabarin’ny Filoha tamin’ny faran’ny taona teo izao dia nolazainy mazava mihitsy fa ho taom-piotazana ity 2016 ity. Enga anie ka ho tanteraka ny teniny satria izay mihitsy no andrasan’ny malagasy aminy. Raha tsy izay mantsy no mitranga fa lasa resa-be fotsiny ilay taom-piotazana, ho maro indray ny ho kivy sy diso fanantenana ka dia hiverina ireo fitokonana sy fitakiana lavareny ary disadisa politika nanamarika ny taona roa voalohany nitondran’ny Hvm tamin’izao Repoblika fahefatra izao. Tsy tia korontana ny malagasy ary tsy ady sy disadisa fa kosa miandrandra sy mitaky ny hisitraka ny harem-pirenena ka izay no mahatonga ireny hetsika maro mandavantaona ireny. Anjaran’ny mpitondra no misoroka izany amin’ny alalan’ny tena fanatanterahana ireo fampanantenana rehetra ka tonga dia miasa fa tsy mikabary intsony.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







