Feramanga avaratra – Zazakely roa maty tao anaty lavaka feno rano
Nisehoana trangam-piaraha-monina mampalahelo tany amin’ny kaominina Feramanga Avaratra, distrikan’Ambatondrazaka, ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny 5 ora hariva. Zazakely roa no niaraka namoy ny ainy tao anaty lavaka avy nangadiana tany hanaovana biriky, tao amin’ny fokontanin’Ambararata. Dibo-drano tanteraka ny toerana nilalaovan’ireo zaza vokatry ny orana nifanesy tany an-toerana ka latsaka tao izy ireo. Marihina fa zanak’olona samy hafa ireo ankizy ireo ka ny iray 7 taona fa ny iray hafa kosa 8 taona.
Tsy nisy nahatsikaritra ny tsy naha teo ireo zaza raha tsy efa harivariva. Nanao ny fikarohana ireo ray aman-dreny saingy efa vatana mangatsiaka mifanongoa no hita tao anatin’ilay lavaka dibo-drano.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







