Moramanga – Lehilahy matin’ny fihomehezana teo am-pilalaovana karatra
Raha ny hoe tapa-tsinay ny fitenin’ny olona matetika dia hafa mihitsy ity niseho indray mitoraka ity. Lehilahy iray mantsy no maty tampoka teo am-pihomehezana, tany Moramanga, ny alahady 3 janoary lasa teo. Teo am-pilalaovana karatra no niseho izany. Maromaro izy ireo no niara-nilalao tamin’io fotoana io, izay tafiditra tao anatin’ny fiaraha-mifetin’ny mpinamana. Nitantara hatsikana ny tovolahy iray izay anisan’ny niara-nilalao tamin’izy ireo ka iny no nitarika ny fihomehezany, araka ny loharanom-baovao.
Tsy nijanona nikakakaka ilay rangahy raha tsy efa tsakoahana ary vetivety teo dia nikohaka tampoka ka izay dia tapitra ny ainy. Ahiana ho fijanonan’ny fo tampoka no nahafaty azy io.
Tsapa fa tsy mifidy fomba ny hahatongavan’ny fahafatesana raha ity nitranga ity no jerena. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia efa roa amin’izao ny olona matin’ny fihomehezana tany Moramanga. Teo am-pijerena baolina kitra tao amin’ny kianja Rasolonjatovo no niseho izay tranga izay efa taona maromaro lasa.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







