Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Ambatondrazaka – Raikitra ny ady saritaka tao am-piangonana

Nanamarika ny fiandohan’ny taona 2016 ity teo amin’ny ara-pinoana ny fifandonana nataon’ireo mpino tao amin’ny fiangonana zandriny iray, tany Ambatondrazaka. Fanakianana nataon’ny mpitondra fivavahana tamin’ireo mpino no niandohan’ny olana, ny andron’ny alahady lasa teo, nandritra ny fanompoam-pivavahana. Nikarakara lanonana an-tsehatra ireo mpivavaka ny andron’ny taom-baovao, izay nahatonga fahasorenana teo amin’ilay pasitera, noho ny fihetsika tsy mendrika nataon’izy ireo izay manaraka amin’ny fiainan’izao tontolo izao. Tsy nitovy fomba fihevitra taminy anefa ireo olona notarihany ka nahatonga ny ady. Samy nampiaka-peo izy rehetra ary nivoaka avokoa ny lonilony hatramin’izay ho an’ireo olona izay efa tsy nahazohazo ity pasitera ity sy ny mpomba azy, izay tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana ka niafara tamin’ny ady saritaka. Ny fanelanelanan’ny mpitondra filaminana no nampitony ny iray fiangonana, araka ny loharanom-baovao. Olona am-polony, noho izany, no naratra vokatry ny fifandonana. Vehivavy iray bevohoka no voalaza fa safotra tsy nahatsiaro tena mihitsy.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre