Taonan’ny rà mandrika
Vao manomboka ny taona dia misesisesy ny fandrenesana faty olona etsy sy eroa. Tena maro tsy toy ny mahazatra ny isan’ny olona maty nisy namono tao anatin’ny herinandro voalohany tamin’ity taona 2016 ity. Mila sorohina dieny izao ny tsy hitaran’izany satria lasa mihorohoro ny vahoaka. Na resaka kely tsy misy dikany firy aza dia miafara amin’ny vono olona mahatsiravina hatrany. Amin’izay matetika eny amin’ny toerana be olona toy ny eny an-tsena sy any amin’ny trano filanonana no hitrangan’izany heloka bevava izany. Mila mandray andraiktra faran’izy haingana sy faran’izay henjana ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro filaminana fa tsy tanin’ny didin’ny be sandry akory i Madagasikara ka izay te hamono dia mandatsaka ain’olona. Hita ihany aloha ny gaboraraka eto amintsika satria tsy manaraka ny lalàna manan-kery ny fivarotana zava-pisotro mahamamo izay maniry toy ny anana manerana ny tanàna sy ny faritra rehetra. Tsy voahaja ihany koa ny ora fisokafan’ny toeram-pibobohana sy ny fandrarana ny zaza tsy ampy taona tsy mahazo mividy izany.
Tsy mahagaga raha manjaka ny herisetra satria ny mpitandro filaminana rahateo zara raha hita amin’ny fotoana ilana azy ireny. Ny tena mahavariana mantsy dia ny antony tsy hamoahana ireo polisy sy miaramila ary zandary hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Lasa atao mpandroaka fako ny sasany amin’ny mpitandro filaminana nefa ny vahoaka tokony harovana tsy misy mpijery. Ny hafa indray dia mivangongo lasa ravaky ny tanàna eny amin’ny fihaonan-dalàna nefa tsy hita izay fiovana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana.
Be loatra ny aina nafoy vokatry ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana satria tsy ampy ny fandraisana andraikitra hisorohana izany sy fanasaziana ireo nahavanon-doza. Hatreto aloha ny fitsaram-bahoaka irery ihany no atahoran’ny olona ka manakana azy ireo tsy hanao heloka bevava eo anatrehan’ny mpiara-belona. Ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana toa tsy asian’ireo olon-dratsy vidiny firsy intsony. Tsy mahagaga izany satria tsy atahoran’ireo tsy valahara ny sazy omen’ny fitsarana azy ireny. Ny sasany aza efa voaheloka higadra mandra-pahafaty mbola re sy fantatra ihany fa nandray anjara tamin’ny heloka bevava hafa.
Mila faizina faran’izay henjana ny olon-dratsy fa tsy arovana amin’izay rediredin’ireo milaza azy ho mpiaro ny zon’olombelona. Ny zon’ny tontakely sy tsy valahara no arovan’ireny fikambanana ireny fa tsy ny zon’ireo lasibatra sy tsy manan-tsiny. Mivelona amin’ny ranomason’ny sasany fotsiny ny ankamaroan’ireny milaza ho mpiaro ny zon’olombelona sy mampiaka-peo miaro ny jiolahy sy dahalo voatifitra ireny satria mahazo famatsiam-bola any ho any ka mody mampiaka-peo. Raha tsy mampiseho ny tena heriny ny mpitandro filaminana dia hitohy hatrany izao faty olona etsy sy eroa izao satria heverin’ny sasany fa kilalao ny mamono olona ka toa zary lasa fifaninanana izany.
Ny tena loza ny firoborobon’ny fitsaram-bahoaka rehefa tsy mahatontosa tsara ny andraikiny ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Olana goavana ary tena loza mitatao anefa io fitsaram-bahoaka io satria matetika dia misy olona tsy manan-tsiny matimaty foana noho ny endrikendrika sy tondro molotra ary fanavakavahana tsotra izao. Lasa ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka izay tokony hifanome tanana sy hifampiaro indray avy eo no lasa miady sy mifandrafy noho ny hevitra tsy mitovy. Tena ampy izay ny herisetra sy faty olona vokatry ny hetraketraka fotsiny. Mila miara-misalahy ny rehetra satria tsy maintsy hajanona izao loza mihatra amin’ny vahoaka izao.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







